Tontosa omaly, teny amin’ ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny velakevitra niarahana tamin’i Pascal Boniface, mpanoratra sy manam-pahaizana manokana momba ny haipolitika ara-toetany. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika « Semaine de la Bande dessinée » izy ity. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny atrikasa mahakasika ny fanaovana tantara an-tsary, natao […]
Mois : juin 2024
Soratra tsy manolatra: mila omena aina vao ny vaky boky
Jona, « Volan’ny teny malagasy ». Ny teny, tonga soratra. Ny soratra raiketina anaty boky. Ireo rehetra ireo, samy ahitana olana avokoa, raha ho an’i Madagasikara manokana. Tsy mba maro mpiteny loatra ny vaky boky izay efa mila omena aina vao mba tsy hitambotsim-pandry ity firenena ity! Raha misy kolontsaina sy zavakanto […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina anio, any Toamasina, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, N1A faritra Atsinanana, sokajy lahy sy vavy. Hisy lalao efatra handeha any an-toerana. Anisan’izany ny fihaonana tena andrasan’ny maro eo amin’ny lehilahy, ny fifanandrinan’ny Ascut Atsinanana sy ny Cosfa Analamanga. Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahatena […]
“Mondial 2026”: hiady ny isa telo i Madagasikara sy i Comores
Hifanandrina amin’i Comores i Madagasikara, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Fanamby goavana ny miandry ny Barea. Lalaon’ny samy nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina! Anio, ao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg, hifanandrina i Madagasikara sy i Comores. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny […]
“Telma E-sport series” : nanao pao-droa i JZ Rayan
Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben’ny Telma Andraharo, ny fanolorana ny fankasitrahana ho an’izay telo voalohany nandresy tamin’ny fifaninanana “Telma E-sport series 2024”. Nanaovan-dRalainaivo Mamitiana Herilanto na JZ Rayan pao-droa ity fifanintsanana ity. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ ny sokajin-dalao roa izy : ny “E-football” sy ny “EAFC”. Notoloran’ny mpikarakara lelavola […]




