Famitahana sy fampanginana ny any Vangaindrano, ny Antesaka, ny filazana fa lany, voafidim-bahoaka ny depiote, Mahaviatra Sylvestre. “Mbola voatazona any Antanimora izy anefa hatramin’izao”, hoy ireo foko maromaro avy any an-toerana, omaly. Notakian’izy ireo ny hamoahana io zanany io hisolo vava ny vahoaka eny amin’ny Antenimiera. Hanao hetsika fanoherana ny […]
Mois : juin 2024
Solom-bava mba aoka…
Hilamina amin’izay ny tany sy ny fanjakana? Indrindra ny politika… Misy ary voamarina ny fahazoana maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena; eny, na eo aza ny karazana kajikajy sy fampitandremana politika: tsy tokony hiandany hatramin’ny farany ireo depiote tsy miankina, mila miverina amin’izay niaviany ireo avy amin’ny antoko politika… Na ahoana […]
Depiote Mily sy i Lalatiana: samy nisaotra ny vahoakan’i Faratsiho
“Marina fa nisy fanafoanana vato 142 tany amin’ny fokontany Ambero Tsaramody, Vinaninony Atsimo”, hoy ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Faratsiho, avy amin’ny vondrona Firaisankina, Ramilison Andriamampionona na i Mily. Notsiahiviny fa betsaka ny fifamaliana teny amin’ny HCC. Niezaka ny nanafoana vato 2 100 mahery tany Vinaninony Atsimo ny kandidà mpifaninana. […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Mavesatra ny adidinareo solombavambahoaka”
Niarahaba sy nirary soa ireo solombavambahoaka voafidy manerana ny Nosy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina. Tsy ho mora! Notsiahiviny tamin’izany fanambarany izany ny zava-dehibe miandry ireo olom-boafidy ho etsy amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena etsy Tsimbazaza ireo. “Manandanja ary tena mavesatra ny adidy hiantsorohanareo ho an’ny […]
Tselatra
Valo lahy nalefa eny Tsiafahy ary fito mianadahy naiditra eny Antanimora taorian’ny fampanoavana. Voarohirohy tamin’ny raharaha famonoana mpitsara iray miasa ao Mahajanga ny 19 jona lasa teo, izy ireo. Niakatra fitsarana, omaly, ireo olona voasaringotra tamin’ity raharaha ity ireo ka ny mpamilin’ilay mpitsara ihany no tompon’antoka. Olona efatra naratra vokatry […]




