Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro ato anatin’ny telo andro ho avy, izay mety hialohavana zavona vao maraina ny toerana sasany amin’ny afovoan-tany sy ny atin-tany Atsimon’ny Nosy. Hisy fidinana ny maripana ambony indrindra any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy sy ny afovoan-tany any amin’ny faran’ny herinandro. Manodidina ny 6°C- 24°C […]
Mois : juin 2024
Manerana ny diosezy 22: mpianatra 36 226 miatrika BEPC katolika
Miatrika fananadinana BEPC ireo mpianatra avy amin’ny fiangonana katolika, amin’ity herinandro ity. Nanomboka ny alatsinainy teo ary hifarana ny alakamisy izao izany. Mahatratra 36 226 ireo mpianatra miatrika izany, izay miparitaka amin’ireo diosezy 22. “Tsy manakana amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana BEPC ofisialy izany fa hahitana sy hitsapana ny fahaizan’ny mpianatra […]
Fivoriana momba ny asa : ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fahasalamana
Nisokatra tamin’ity herinandro ity any Genève (Soisa) ny fivoriana iraisam-pirenena faha-112 momba ny asa. “Mivonona amin’ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny vokany ho an’ny fahasalamana” ny lohahevitra niompanan’ny dinika, izay hifarana ny 14 jona ho avy izao. Solontena avy amin’ny firenena 187 mpikambana ao amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa […]
Barikadimy-Mention gestion : hamoaka voka-panadinana vaovao ny tomponandraikitra
Nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny fakiolten’ny droit, des sciences économiques et de gestion ao anivon’ny oniversiten’i Toamasina, Be Alphonse, niaraka amin’ny mpampianatra profesora ao amin’ny mention Gestion. Nitondra fanazavana momba ny voka-panadinana ho an’ny mention gestion nivoaka ny 23 marsa izy ireo. Nambarany fa nivoaka […]
Trail – Trophée de l’Ocean Indien : azon’i Mamy ny medaly volamena
Nihofahofa tatsy La Réunion indray ny sainam-pirenena malagasy ny sabotsy lasa teo. Lasan’Andrianirina Hobilalaina Rivosoa, fantatry ny rehetra amin’ny solonanarana hoe : Mamy, ny medaly volamena teo amin’ny fifaninanana hazakazaka anaty natiora na ny Trail – Trophée de l’Ocean Indien, andiany voalohany. Fihaonana, nokarakarain’ny Association Culturelle et Sportive de l’Ocean Indien. […]




