Mois : juin 2024

Indray mijery

Ho maina ny andro ho an’ny afovoantany sy ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy, manomboka anio. Vinavinaina ho maina koa izany any amin’ny faritra hafa. Mety hisy fiakarana ny maripana ambony saika manerana ny Nosy, manomboka rahampitso. Manodidina ny 5 – 24°C izany ny maraina ary eo anelanelan’ny 18 – 35°C […]

CSB Ampataka: afaka misitraka vaksiny isan’andro ny mponina

Anisan’ny CSB nisitraka tombontsoa tamin’ny tetikasa Miarova ny ao Ampataka, izay tarihin’ny lehibeny, Andrianantenaina Princi. Vata fampangatsiahana vaventy mandeha amin’ny herin’ny masoandro no azon’izy ireo tamin’izany. Afaka manao vaksiny isan’andro ny CSB amin’izao fotoana, satria efa arifomba ny vata fampangatsiahana fitehirizana ireo vaksiny ary mandeha andro aman’alina mihitsy izany. Efa […]

Mpino silamo Chiite Nankalaza ny Aïd al-Ghadir

Nankalaza ny Aïd al-Ghadir ny mpino silamo Chiite eto Antananarivo, ny talata lasa teo. Niara-niombom-bavaka sy nisaotra an’Andria­manitra tetsy Andohatape­naka izy ireo nandritra izany. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy fiaraha-mifety teo amin’ireo mpino ny fotoana. “Fety lehibe ho an’ny mpino silamo izy io satria andro fanehoana sy fampahafantarana ny lehibe mpitarika, […]

Fanabeazana sy fiarenana ara-tsakafo: mpianatra 24 000 hisitraka sakafo any an-dakilasy

Nidinika ny sahanasa iarahana ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny herinandro lasa teo, nandritra ny roa andro. Notombanana ny asa vita ho an’ny taom-pianarana 2023-2024 ary nojerena manokana ireo sekoly hisitraka ny tohana ara-tsakafo, ao anatin’ny tetikasa fiarenan’ny Rafitra […]

Famoahana voka-pifidianana: miantso fanajana ny fahamarinana ny FFKM

“Miantso ny FFKM ny hanajana hatrany ny fahamarinana, indrindra ny voka-pifidianana. Fa mariky ny fanajana ny safidin’ny vahoaka izay tompon’ny fahefana izany, ary antoka amin’ny hisian’ny fandriampahalemana sy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra”. Io ny hafatry ny FFKM tamin’ny 23 jona ary nampitainy, afakomaly, amin’ny fiandrasana ny […]