“Manan-danja loatra amintsika ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana. Izay indrindra no nisafidianana manokana ny teny faneva fankalazana hoe: Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny kabary fanombohana ny matso teny amin’ny kianja Barea, Mahamasina, omaly, tao anatin’ny fankalazana ny 26 jona. Tandroka aron’ny vozona miaro […]
Mois : juin 2024
Fetim-pirenena: niarahaba ny Malagasy ny filoha Amerikanina
Nanao fanambarana fiarahabana sy firariantsoa amin’ny anaran’ny vahoaka amerikana ho an’ny filoha Rajoelina Andry sy ny Malagasy amin’izao fetim-pirenena izao ny filoha Joe Biden. “Mirary soa ho anao sy ny vahoaka malagasy amin’izao fankalazanareo ny faha-64 taonan’ny fetin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara izao izahay”, hoy izy. Notsiahiviny ao anatin’izany ny fiaraha-miasa maharitra […]
Rabevahiny: “Tsy mbola vita ny tolona tena fanafahana an’i Madagasikara”
64 taona no niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Mby aiza? Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia: “64 taona aty aoriana, azo lazaina hoe tsy mbola mahaleo tena isika fa mbola ao anatin’ny ady amin’izay hoe fitadiavana Fahaleovantena izay”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Aminao, inona no hoe Fahaleovantena? Rabevahiny Elia […]
Taratry ny kanto
Niteraka resabe ny hiram-pirenena, tao Mahamasina. Na ireo nanatri-maso na ireo nanaraka tamin’ny fahitalavi-pirenena dia nahatsikaritra ny tsy fetezana avokoa. Araka ny fanazavana voaray, vokatry ny olana ara-teknika teo amin’ny fanamafisam-peo izany, ka nisy tsy nivoaka ho henon’ny besinimaro ny feon’ny mpihira sasany. Olana efa mpitranga matetika rehefa fety lehibe […]
Fanorona: nandrombaka ny fandresena i Dada Bary
Nikarakara fifaninanana lalao fanorona, teny Ambohidratrimo, i Souleman mpikabary, nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena teo. 9 mianaka, avy amin’ny fokontany enina, eo anivon’ny kaominina Ambohidratrimo ireo nandray anjara tamin’izany. Nandrombaka ny amboara, nandresy tamin’izany, Rabarimanana Jean de Dieu na i Dada Bary, 77 taona, rehefa avy nifanandrina ny ho tompondakan’ny […]




