Maty tsy tra-drano notetezin’ny kamiao teo amin’ny lohany ny lehilahy iray 20 taona tao tampon-tanànan’ Ambanja, omaly maraina. Nandalo toy ny fiara rehetra nifamezivezy io fiarabe io. Tampoka, voahitsaky ny kodiarana ny lehilahy iray. Nikoropaka nijery ny zava-nisy ny manodidina. Poa toy izay, nandriaka teo amin’ny arabe ny ra. Potika […]
Mois : juin 2024
Tsaratanàna : Jiolahy mpaka an-keriny voasambotra
Voasambotry ny zandarimaria tao amin’ny trano fonenany ny jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny, tao Ambohidray, kaominina Manakana Vonimbohitra, distrikan’i Tsaratanàna, ny faran’ny herinandro teo. Atidoha tamin’ny tranga fakana an-keriny tao amin’ny tanànan’Ambodikininina, ny 17 mey lasa teo io olon-dratsy io. Nikaroka azy taorian’izay ny zandary miasa ao amin’ny kaompania Andriamena. […]
Vola malaky sy fisolokiana : tandremo ny fandraikirekena!
Mahazo vahana ny fisolokiana amin’ny merikiora sy ny fampitomboam-bola mahagaga. Mandraikiraiky amin’ny fahaiza-miresaka ny olon-dratsy. Samia mitandrina ! Mila mailo sy malina fa tsy kely lalana ny ratsy ! Mirongatra ny fisolokiana sy ny fitatipaka isan-karazany mba hahazoam-bola. Manararaotra ny fahasahirana ny olon-dratsy. Vao tamin’ny herinandro lasa no nisy mpivady, mpisoloky amin’ […]




