Mois : juin 2024

Fifidianana solombavambahoaka: nifarana, omaly, ny fe-potoam-piasan’ ny SRMV

Nifarana omaly ny fe-potoam-piasan’ny sampana mpikirakira ny voka-pifidianana eny anivon’ny distrika, raha ny voafaritry ny lalàna mifehy ny fifidianana. Eny anivon’ny Birao ma­haleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) foibe indray, araka izany, no hikirakirana ireo voka-pifidianana ireo, manomboka anio. Mana­na 10 andro kosa ny Ceni hanatanterahana ny asany, araka ny […]

TSELATRA

Lanin’ny voay teo amin’ny faritry ny tanany ny mpanarato iray, tao amin’ny kaominin’i Bemarivo, distrika Ambatomainty, ny alahady 2 jona teo. Nanao ny asany toy ny mahazatra azy io lehilahy io, kinanjo, norambasan’ny voay tampoka ny sandriny. Avotra soa aman-tsara izy ka nentina notsaboina teny anivon’ny CSB II Bemarivo. Renim-pianakaviana […]

Kariera nihotsaka : mpitrandraka vatosoa maty tototry ny tany

Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray tototry ny tany tao amina kariera fitrandrahana vatosoa, tao amin’ny fokontany Fotsialanana, kaominina Amboriala Andrafen­kona, distrika Vohemar, ny zoma 31 mey teo. Samy nidina tao anatin’ny kariera ireo olona miisa telo, mpivahiny, ao an-toerana. Nahatsikaritra tranga hafahafa anefa ny zanaky ny mpitrandraka iray ka […]

Ambohimahitsy : jiolahy efatra notanana am-ponja

Nohazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny faran’ny herinandro teo, ireo efa-dahy mpamaky trano voasambotry ny zandary. Nangalatra moto teny Ambohimahitsy izy efatra mirahalahy ireo, ny 29 febroary teo. Nanohy ny asa ratsiny hatrany ireto olon-dratsy ireto ka namaky trano teny amin’ny manodidina ny kaominina Ambohimangakely. Voamarin’ny zandary tamin’ny alalan’ny loharanom-baovao fa […]

Ivato: Fiara nivadika, olona iray maty

Maty teny an-dalana hamonjy hopitaly ny mpamilin’ilay fiara P.206 niharan-doza teny amin’ny sampanana « Paon d’Or » Ivato, omaly maraina. Tovolahy iray hafa kosa naratra mafy. Nieren-doza ny tovolahy iray nanao «auto-stop » niaraka tamin’izy roa lahy, saingy tsy hita rehefa nitranga ny loza… Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray teny Ivato, omaly tamin’ny […]