Mois : juin 2024

TARATRY ny KANTO

I Toky no mpihira vaovaon’ny tarika Mage 4. Sahirana tokoa tamin’ny fisafidianana izay handimby an’i Ken ireo mpikambana. Na dia samy manan-talenta avokoa aza ireo mpifaninana, nironan’ny safidy i Toky, izay zandrin’i Anthony Pazzapa. Tsy vaovao aminy ny hiran’ny Mage 4 sy ny gadona rock. Manana feo miavaka ihany koa […]

“Iray volan’ny teny Malagasy”: hisy fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora 2024

Sokajy telo no hifaninanana amin’ity taona ity. Entanina ireo mpanoratra, na efa fanta-daza na tsia, mba handray anjara amin’ny “Fifaninanam-pirenena ho an’ny literatiora” 2024. “Ady amin’ny fanolanana eto Madagasi­kara”. “Fandrindrana fiainam-pianakaviana”. Ireo ny lo­­hahevitra iompanan’ny “Fifa­ninanam-pirenena ho an’ny literatiora”, amin’ity taona ity. Ni­voaka omaly ny andinindinin’ny fifaninanana, raha toa ka […]

FANTINA sy FINTINA

Nilaza hitory ny kandidà Randrianasoloniako Siteny ireo kandidà efatra mpifaninana aminy ao amin’ ny distrikan’i Toliara I. Anton’izany ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fizarana vary sy vola tamin’ireo fokontany, ny andron’ny 28 mey, izay andro fahanginana mialoha ny fandatsaham-bato, araka ny tatitr’ireo kandidà ireo, ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa misy […]

Praiminisitra Ntsay Christian ; “Tsy manaiky fanakorontanana ny fitondram-panjakana”

“Tsy manaiky izany fanakorontanana izany ny fitondram-panjakana”, hoy ny Praimini­sitra Ntsay Christian, taorian’ny fianianan’ny mpikambana vaovao eo anivon’ny Fitsarana avo (HCJ), teny Anosy, omaly, raha nanontanin’ny mpanao gazety ny amin’ny fisian’ny fanoherana voka-pifidianana niafara ta­min’ ny fandoroana ny biraon’ny Sampana mpanisa vato (SRMV) amin’ny distrika vitsivitsy. Fanjakana tan-dalàna i Madagasikara. […]

Aleo halan’andriana

  Misy kisarisary hafahafa, toa mampidonaka, ilay resaka voka-pifidianana. Sanatrian’ny vava, mijabaka amin’ny asan’ny sasany. Tsy hiseho mahay alohan’ny tompony. Amin’ny maha mpisintona lalokosy anefa,  mahatsapa ho manana adidy amin’ny fizarana ny ahiahy tsy hihavanana. Iarahan’ny rehetra mahita ny fivoaran’ny fikirakirana ny vaovao. Efa mivoaka tsikelikely ny fitsimbadibadihan’ny isa azon’ny […]