Mois : juin 2024

Tselatra

Lehilahy iray tsy nahatsiaro tena rehefa voafaokan’ny fiara teny By-pass, afakomaly. Nentin’ny nanatri-maso nihazo ny hopitaly izy. Nipitika tamin’ny sisin-dalana io lehilahy io ka torana. Mpandalo no nanavotra azy ary nitondra teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Norasarasain’ny olon-dratsy, omby vavy bevohoka iray lasibatry ny mpangalatra ka ny taolany sisa nariany tao anaty […]

Milaza ho vazaha: mpanodinkodin-jaza nahiditra eny Tsiafahy

Misandoka ho teratany vahiny, tratran’ny mpitandro filaminana ka nahiditra eny Tsiafahy ny lehilahy iray mpanadala sady manery zaza tsy ampy taona amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Hampiresahany ireo tanora tsy ampy taona ireo hanome sary mamoafady. Misoloky ho vazaha rahateo io lehilahy io ka manambitamby ireo ankizy tsy ampy taona ireo. […]

Nifanenjehan’ny fokonolona: dahalo raindahiny voasambotra

Dahalo raindahiny iray, tompon’antoka tamin’ny fandrobana omby nahafatesana olona, voasambotry ny zandary sy ny fokonolona tao amin’ny kaominina Antanimieva, distrika Morombe, afakomaly. Nokarohina taorian’ny fanafihana herinandro vitsy, naharay loharanom-baovao nirakitra ny mombamomba io dahalo io ny mpitandro filaminana. Nanao ny fomba rehetra nisamborana azy izy ireo. Nanampy tosika ny fokonolona. […]