Mois : juin 2024

Ping pong-Afrika : Malagasy roa anatin’ny “Top 20”

Nivoaka afakomaly teo ny filaharan’ireo mpilalao 20 tsara indrindra aty Afrika, taranja tenisy ambony latabatra Ping pong. Ho an’ny sokajy lehilahy, nahitana Malagasy mpilalao roa. Eo amin’ny laharana faha-11 no misy an-dRako­toarimanana Fabio raha faha-20 kosa Razafinarivo Antoine. Nijanona eo amin’ny faha-11, araka izany, i Fabio, aty amin’ny kaontinanta Afrikanina […]

Rugby à VII, lehilahy – “CAN 2024” : ao anatin’ny vondrona A i Madagasikara sy Kenya

Hiditra an-tsehatra indray ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), taranja rugby lalaovin’olona 7. Iray vondrona amin’i Kenya i Madagasikara. Hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maurice, ny 29 jona ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovin’ olona 7, […]

Andron’ny Karazan-javamananaina: nankasitrahana ireo mpiantsehatra

Nankalazaina omaly, tao amin’ny saha Imaitsoanala, any Mandraka, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina (JIB). Nitarika ny fotoana, tamin’izany, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max An­toine Andonirina, niaraka tamin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana rehetra. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe : « Miasa miaraka ho an’ny […]

“Ode ry Gasikarako” andiany faharoa : manambatra ny hery ho fiarovana ny tontolo iainana

Miantoka ny fampivoarana ny fiainan’ny olombelona ny tontolo iainana. Ilaina ny fanambarana ny hery rehetra ho an’ny fiarovana izany mba ho lovain-jafy sy hiainana mirindra miaraka amin’ny natiora. Ho an’ny taninjanaka! Loza mitatao ho an’ny mpiara-belona ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny karazana zavamananaina. Ilaina ny fandraisana andraikitra sy fiaraha-mientan’ny […]