Mois : juin 2024

«Forestival 2024» : Malagasy mpanakanto telo mandray anjara

Mitohy hatrany ny fivelaran’ny zavakanto malagasy. Taratr’izany ny fandraisana anjaran’ireo Malagasy mpahay kanto amin’ny hetsika iraisam-pirenena maro. Malagasy mandray anjara amin’ny «Forestival 2024», atao any Lahnstein Allemagne, Raza­fin­­drakoto Mamy Nirina (Tan­galamamy) sy Rabearivelo Dina Mitia ary Aina Andria­mahafaly. Fampirantiana sy sehon-javakanto maro samihafa atao anaty ala sy eny ankalamanjana izy […]

VAOVAO TAMBATRA

0,01% ny tahan’ny fanondrana entana maneran-tany nataon’i Madagasikara tamin’ny taona 2022. Laharana faha-133 no misy ny firenena raha toa ka eo amin’ny faha-129 isika eo amin’ny raharaha ara-barotra. Mitazona ny laharana voalohany sy faharoa amin’ny fanondranana maneran-tany kosa i Sina sy Etazo­nia, amin’ny taha 14,42% sy 8,28%. Matanjaka sady voalohany […]

harena an-kibon’ny tany : vahaolana ho an’ny atsimo

Mpampianatra mpikaroka amin’ny lafiny ara-bola amin’ny toekarena any amin’ny ta­pany atsimon’ny Nosy Andria­miharivola Zavamanitra. Na­no­me ny heviny izy manoloana ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny volana febroary 2024 teo. Araka ny tatitra, faritra roa no mihoatra ny 90% ny tahan’ny fahantrana, ny taona 2021-2022, any Androy (95%) sy Vatovavy […]

“Zah@Geek 3.0”: antoka manome asa ho an’ny tanora

Tontosaina etsy amin’ny gara Soarano, ny 21 hatramin’ny 23 jona, ny hetsika niomerika, “Zah@Geek 3.0”, karakarain’ ny Orange Madagascar. Maherin’ny 40 ny orinasa mandray anjara. Nanokatra ny fotoana ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Razafindramalo Tahina. « Mamaly ny filan’ny tanora malagasy ny hetsika […]

Fitaterana an-tariby : 3 000Ar hatramin’ny 5 000Ar ny tapakila

Tsy nisy ny sampona! Tontosa soa aman-tsara ny andrana teknika, nitondrana olona tamin’ny teleferika. Nisantatra ny dia ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tontosa omaly, ny andrana teknika faharoa, fitaterana an-tariby na ny teleferika. Nanomboka nitondra olona izany. Ny zotra mampitohy an’Anosy sy Soarano izay efa nandramana tamin’ny zerikanina feno rano […]