Mois : juin 2024

Fandaharanasa USAID Access : nifarana ny tetikasa amin’ ny anivon-tany

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharanasa ara-pahasalamana Accessible Continun of Care and Essential Services (Access), izay vatsian’ny USAID vola ary tanterahin’ny MSH. Anisan’ny ifantohan’ny tetikasa ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza ka tafiditra amin’izany ny fanentanana amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Natao tany Fianaran­tsoa ny hetsika famaranana ho an’ny […]

INDRAY MIJERY

100 tapitrisa dolara isan-taona ny fahavoazana ateraky ny rivodoza sy ny loza voajanahary eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tsapa ny ezaka ataon’i Madagasikara tao anatin’ny 10 taona, vokatry ny fananana politika nasionaly hitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Nijanona ho antonony, […]

Fihaonana iraisam-pirenena : nifampizara traikefa ireo mpamonjy aina

Nifarana omaly ny fihaonana iraisam-pirenena mom­ba ny mpitsabo, miandraikitra ny vonjy taitra, eto anivon’ny ranomasimbe Indianina (JFMUOI), andiany faha-12. Fihaonana nandritra ny roa andro, notanterahina tetsy amin’ny Motel Anosy. Hetsika nokarakarain’ny Association des médecins urgentistes de Madagascar (Amum). Nan­dray anjara, nandritra izany, ny mpitsabo miandraikitra ny vonjy taitra rehetra manerana […]

Zon’ny ankizy: tsy tokony hogadraina avy hatrany ny ankizy tsy ampy taona

Nifarana omaly ny atrikasa momba ny zon’ny ankizy, tao amin’ny Carlton, Anosy. Nisy fizarana mari-pankasitrahana ho an’ny mpandray anjara. Nofaranana omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny fivoriambe niarahan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpitsara rehetra eo amin’ny rafi-pitsarana ho an’ny ankizy eto Madagasikara «Tsy tokony ho famonjana avy hatrany […]

Fampandrosoana ambanivohitra : Tokantrano 708 000 nisitraka ny tetikasa Casef

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT). Mamatsy vola azy io ny Banky iraisam-pirenena, naharitra fito taona, tamina faritra 16. «Tanjona ny hampiroboroboana ny seha-piharian’ny fam­bolen’ny tantsaha», […]