Efa tonga eto i Arjun. Hanatontosa fampisehoana mandritra ilay hetsika « Bollywood Glam Night », izay hotanterahina eny amin’ny Novotel Ivandry, anio alina, ity mpanakanto indianina malaza ity. Efa eto ihany koa i DJ Harpz, ary andrasana anio ny Krumania Dance Group, izay tarika mpanao soradihy avy atsy Maorisy, hizara ny kantony […]
Mois : juin 2024
Hip – hop : 50 taona i Slam Jah, anisan’ireo mpanao Rap zokiny
Lava ny lalana nodiavina ho an’i Slam Jah. Tsy mbola nijanona hatreo anefa fa manohy hatrany ny mozika anatin’ny tontolon’ny Hip-hop ity mpanakanto ity. «Savasavaiko ny lalany dia hataoko mandrakizay», hoy i Slam Jah izay. Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny Hip-hop eto Madagasikara, satria anisan’ireo nitondra voalohany ny rivotry ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nohitrikitrihin’ny kaomisaria ambony momba ny zon’olombelona eo anivon’ny ONU ny tokony hanajana ny zo ahazoana mivory an-kalalahana. Tahaka izany koa ny fahafahana maneho hevitra. Niantso ny rehetra hamela malalaka ny HCC hiasa am-pitoniana sy am-pilaminana koa izy ireo amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Nodimandry, omaly, ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Alliance Française, Raharinosy […]
Fiovan’ny toetr’andro: namaritra ny tetikasany ny fitsinjaram-pahefana
Nisitraka fanohanana amin’ny famolavolana ny Drafitra hiatrehana ny toetr’andro “Climate prosperity plans – CPP” amin’ity taona ity i Madagasikara. Fiaraha-miasa amin’ny fikaonandohan’ireo firenena tena mahantra “Forum des pays les plus pauvres – CVF” sy ny “Secrétariat du vulnerable twenty – V20” izany. Natolotry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana […]
Hambom-po
Nahafinaritra ery ny nijery ny fifamoivoizan’ny « teleferika », omaly. Nahoraka izaitsizy teny amin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ireo naka tsirony, nitsingevaheva teny ana habakabaka. Tena hoe raitra sy taratry ny fandrosoana tokoa. Nidanaka ny mpitazana avy ety ambany, dibo-kafaliana ny mpijery avy eny ambony! Variana Ramalagasy! Andro iray, nampihetsika ny hambom-po, omaly. […]




