Manodim-bola hatrany amin’ny 150 tapitrisa dolara isan-taona ny famarinana olona. Tanjona ny hamerenana indray ireo lasibatra eny anivon’ny fiarahamonina. Tafakatra 150 tapitrisa dolara isan-taona ny vola mihodina eo amin’ ny famarinana olona, araka ny tatitra navoakan’ny Unesco USA. Lasibatra ny vehivavy sy ny tovovavy. « Voasokajy ho trangana famarinana olona […]
Mois : juillet 2024
INDRAY MIJERY
Tongasoa any Sagam Inde i Mialy, mpitondra feo mahakasika ny fikirakirana ny teknolojia am-pahendrena (Surf Smart). Izy no solontenan’ireo mpitondra feo eo amin’ ny Mpanazava mandritra ny fihaonana karakarain’ny AMGE. Sehatra hifampizaran’ny skoto zazavavy ny zava-misy sady hanovozana zava-baovao. 134 mianadahy ireo andiana tanora mpianatra nahavita fianarana tao amin’ny sampam-pianarana […]
Fitsaboana nentim-paharazana : mangataka ny hanenjehana ireo mivaona
Nanatanteraka fivoriambe tetsy Anosy ny fikambanam-pirenen’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara (ANTM), omaly. Fivoriana isan-taona, nandraisan’ny fikambanana 17 manerana ny faritra 24, eto amin’ny Nosy, anjara. Maro ny olona misandoka sy manao doka varotra ary manaratsy ny fitsaboana nentim-paharazana eto amin’ ny Nosy. Anisan’ny nangatahin’izy ireo amin’ny fanjakana ny hampidirana azy […]
Lemak’Antananarivo : nisokatra ny fampidiran-drano
Vita tamin’ity herinandro ity ny fampahafantarana ny fisokafan’ny fampidiran-drano eto amin’ny lemak’Antananarivo, ho an’ny taom-pambolena 2024, notanterahina tetsy amin’ny canal GR Ilanivato. Laharam-pahamehana amin’ny fitondrana sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ary ny Apipa ny fikojakojana ireo lakandrano vaventy rehetra mamakivaky an’Antananarivo sy ny manodidina, ahafahana mampikoriana […]
Fotoanan’ny ririnina : ireo toromarika ara-pahasalamana hiatrehana ny hatsiaka
Fotoana mampirongatra ny karazan’aretina ny ririnina. Maro ireo torohevitra ho fiarovan-tena hiatrehana izany sy hananana hery fiarovana matanjaka. Manoloana ny ririnina mamirifiry, manome torohevitra hiatrehana ny hatsiaka ny CHUJRA ao amin’ny pejiny hananana fahasalamana tomombana. Fotoana mahabe ny aretina ny hatsiaka. Mora miparitaka ny gripa sy sery, covid-19 sy ny […]




