Mois : juillet 2024

Filaharan’ny Fifa: nilatsaka ho faha-105 i Madagasikara

Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Fifa, ny filaharan’ireo firenena rehetra, amin’ny taranja baolina kitra. Nilatsaka laharana iray, faha-105 i Madagasikara, raha toa ka faha-104 ny Malagasy teo aloha. Ny fifanintsanana eoropeanina “Euro 2024” sy ny amerikanina “Copa 2024”, no nanova ity filaharana ity. I Mozambika no mandimby ny toeran’ny Malagasy. […]

Basikety 3×3 – « Challengers Pristina »: hifandona amin’i Riffa sy i Kandava ny Ankoay

Rahampitso! Hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena goavana, any Kosovo, ny Ankoay 3×3, sokajy lehilahy. Antananarivo no anarana entin’izy ireo mandritra izany. Lalao roa avy hatrany no ataon’ny Ankoay. Niainga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato hihazo an’i Kosovo, ny ekipa nasionaly malagasy Ankoay. Hiady ny tapakila handehanana any Chine mandritra ny fifaninanana basikety […]

TSELATRA

Karohina ny tompon’antoka tamin’ny famoi­zan’aina tovovavy iray hita faty teny amoron’arabe teny Nanisana, afakomaly. Vehivavy 22 taona hita faty nihosin-dra, ahina ho nodomin’ny fiara naterin’ny BMH teny anivon’ny tranom-patin’ny HJRA. Simba vokatry ny dona mafy nahazo azy io tovovavy vao erotrerony io. Andalam-pikarohana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Nitrangana hain-trano […]

Vonoan’olona tao Mahajanga : naiditra am-ponja ireo mpiasa roa

Nidoboka am-ponja vonjimaika, omaly, rehefa avy na­tolotra ny fampanoavana ny lehilahy iray sy vehivavy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana renim-pianakaviana iray tao amin’ny Village touristique Mahajanga. Mpiasan’ity renim-pianakaviana 69 taona niharam-boina ity ihany izy roa ireto. Mipetra-drery ao amin’ny fokontany Mahavoky Atsimo izy no nidiran’ireo mpiasany an-keriny tao an-tranony […]