Tafahaona ary hiaraka an-tsehatra indray. Samy naneho ny fihetseham-pony, noho izay taona maro tsy nihaonana izay, ireo mpanakanto handray anjara amin’ny “Generation 2000’s” amin’ity. “Tsy hisy hira vaovao mihitsy fa ireo hira nanamarika tamin’ izany andro izany ihany no haverina eo”. Sady fampanantenana io no fanamafisana ny lalantsain’ny hetsika “Generation […]
Mois : juillet 2024
Vaovao tambatra
Maherin’ny 1 miliara euros ny totalin’ny fifanakalozam-barotra eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa, nandritra ny taona 2023. Mitana ny laharana faharoa amin’ny fanjifana ny entana vita malagasy ny firenena frantsay ary laharana fahenina amin’ny famatsiana an’i Madagasikara. Manodidina ny 20% kosa ny famatsiam-bola ataony eto amin’ny Nosy. Mitana ny laharana […]
Fampandrosoana maharitra : vonona hanatratra ny ODD i Madagasikara
Vonona hanatratra ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) ho an’ny taona 2030 i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Fihaonambe politikan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana maharitra (FPHN 2024), tany New York, ny 8 ka hatramin’ny 17 jolay. Nitarika ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitry ny Tontolo iainana […]
Ny olombelona aloha !
Milamindamin-dratsy ny tanàna. Mangingina ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Tsy handrenesam-peo firy ny harom-paosy sy ny fanendahana izay nampitondra faisana tanatin’ny fotoana naharitra. Somary mihena ny vaovao mahakasika ny halatra any ambanivohitra. Nihena ihany koa ny ranty momba ny fanolanana izay saika isan’andro teny amin’ny tambajotran-tserasera. Miasa amin’ny […]
Foaran’ny fromazy : misongadina ny vokatra vita malagasy
Nisokatra omaly 17 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao ny Foaran’ny formazy aty afovoantany, andiany voalohany, karakarain’ny M’Anja Events. Tena misongadina ny Vita Malagasy. Miisa 27 ny tranoheva mandray anjara, ahitana ireo mpisehatra amin’ny famokarana fromazy sy ny manodidina azy. Hita ao avokoa ny mpamokatra efa tranainy, fa misy koa […]




