Fiara marika starex iray hotohoton’ny afo tetsy Vontovorona, omaly. Niditra tany amin’ny toeram-pianarana ny tompon’ny fiara. Nirehatra tampoka anefa ny fananany ka niezaka nifehy ny afo ny nanatri-maso. Levon’ny afo tanteraka ilay fiara. Fiara roa nifandona ka potika tanteraka ny lohany tetsy Ampandrianomby, omaly. Nandeha mafy ny iray tamin’ireo fiara. […]
Mois : juillet 2024
Tsy fahampian-tsakafo: raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana
Hatairana tampoka ny an’ireo olona teo an-tsenan’i Bazarikely Toamasina, omaly maraina. Nianjera tampoka ny raim-pianakaviana iray 56 taona. Raha ny fahitan’ny olona, fanina izy ka nitarika fianjerana teo aminy. Niezaka namonjy azy ireo olona nahita maso azy. Nentina haingana namonjy hopitaly saingy tsy avotra intsony ny ainy. Ho an’ ireo […]
MANJAKANDRIANA: ankizikely roa vavy kilan’ny afo
Nitrangana loza mahatsiravina tao Ampanivahoaka, kaominina ambanivohitry Ranovao, distrikan’i Manjakandriana, omaly tamin’ny 2ora maraina. Trano kely fiandrasana saribao ity nirehitra ity, araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary. Fianakaviana mivelona amin’ny asa fanaovana saribao ity niharan-doza tampoka ity. Nisy ankizikely telo (telo volana sy roa taona ary 13 taona) mbola […]
Hita faty tao anaty kirihitra : lehilahy voafira antsy teo amin’ny lohany
Nihosin-dra teo amin’ny lohany ny lehilahy 32 taona, hita faty nisy namono tao amin’ny distrikan’i Manandriana, omaly atoandro. Karohina ireo nahavanon-doza Voafira antsy teo amin’ny lohany sy ny tongony havia, hita faty tao anaty kirihitra ny lehilahy iray 32 taona, tao amin’ny tanànan’i Malaho-Andrainony, kaominina Ambohipo, distrika Manandriana, faritra Amoron’i […]




