Mois : juillet 2024

Naiditra eny Antanimora : olona efatra nahatrarana fonosana roro maro

Noraisim-potsiny ! Naiditra am-ponja, afakomaly, eny Antanimora ireo olona efatra mianadahy voarohirohy amina raharaha fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (roro) rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Nanao bemidina tampoka teny amin’ ny fokontany IVO Isotry ny polisin’ny CUI1 sy ny Sut, rehefa nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ireo zava-mahadomelina mahery vaika miparitaka eny […]

Tsy hita tapa-bolana : fatin-dehilahy notarihin’ny alika

Hitan’ny fokonolona notarihin’ny alika ny fatin’olona iray tao anatin’ny fokontany Mamoladahy- Amparihy, kaominina Imerintsiatosika, afakomaly tolakandro. Karan-doha sy taolan-dava niampy fofona no nanaitra ny manodidina nahita io zava-nisy io. Nanamarina ny fitafiana sy ny pitsopitsony hita teo amin’ny manodidina ny mponina ka voamarina ny momba io maty io. Tsy hita […]

Lasan’ny dahalo ny omby iray vala: raim-pianakaviana maty voatifitra

Lavon’ny bala ny raim-pianakaviana iray. Noraofin’ny dahalo ny omby tao am-bala tao amin’ny fokontany iray anatin’ny kaominina Maintirano, afakomaly alina. Miakatra an-tanàna ny dahalo ao amin’ny fokontany Tanambao SPM, Kaominina an-dRe­ni­vohitr’i Maintirano, ny alin’ny alatsinainy 15 jolay teo. Niara-nisakafo hariva tamin’ny vadiny ny raim-pianakaviana iray monina ao an-toerana tamin’io hariva […]