Mois : juillet 2024

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana… : “Hampidirina anaty tetikasa ny fiovan’ny toetr’andro”

Notanterahina tetsy Ana­lakely, omaly, ny atrikasa sy fampiofanana ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany (MFFT). Niompana amin’ny hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro an-tanàn-dehibe ny fampiofanana. “Hampidi­rina ao anaty tetikasa hatreny anivon’ny kaominina amin’ny faritra manerana ny Nosy izany, indrindra ny an-tanàn-dehibe”, hoy ny talen’ny teti-pivoarana eo anivon’ny MFFT, Rateloson […]

Tsara ny vokatra : nahatratra 3 000 t ny lavanila naondrana

Nihoatra ny hatramin’izay! Nahatratra 3 000 taonina ny lavanila naondran’i Madagasikara tany ivelany, nanomboka ny desambra 2023. Fatra ambony indrindra io raha toa ka manodidina ny 2 000 taonina ny salanisa fanondranantsika isan-taona hatramin’izay. Midika izany fa manomboka miverina amin’ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny sehatry ny lavanila malagasy, […]

Hazo sarobidy: tsy mirindra ny fitantanana ny hazo sy ny fanaka

Miompana amin’ny fanadihadiana ara-tsiantifika ny hazo sarobidy ny tetikasa “G3D”. Manaitra ny tomponandraikitra ny mpanatanteraka azy fa tokony hisy ny lalàna sy fepetra mandrindra ny fitantanana azy ireo. Tsy hita afa-tsy eto Ma­da­gasikara ny 30% ny voamboana sy ny andra­mena (Dalbergia) sy ny 36% ny volombodipona (Diospyros). Tandindomin-doza ny 82% […]

INDRAY MIJERY

Natomboka tamin’ity herinandro ity ny fivo­riana hananganana ny politika nasionaly mahomby mamaritra sy mampandray anjara ireo mpiantsehatra amin’ny fampiatiana sy fampizakan-tenan’ny olona manana fahasembanana. Mila mahomby sy mitondra fanovana anaty fampanjakana ny zon’olombelona izany. Mpianatra avy amin’ny oniversite sy Lycée maro izay mivondrona ao anatin’ny tambajotran’ny tanora miaro ny fahitsiana […]

“Masoivoho indray andro” : 18 ireo tovovavy voasafidy

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanofanana momba ny fahaiza-mitarika ho an’ireo tovovavy 18 voasafidy ho “Masoivoho mandritra ny iray andro” nokarakarain’ny Unicef sy ny masoivoho vahiny maromaro miasa eto amintsika. Omaly, tovovavy enina amin’ireo 18 no niaraka amin’ ny masoivoho vahiny iray avy nijery sy niaina ny tontolo andron’ny masoivoho. […]