Mois : juillet 2024

Antenimierampirenena: hanitsy ny fitsipika anatiny !

Nivory voalohany teny Tsimbazaza ny depiote vaovao 163 mianadahy, omaly. Santarina amin’ny fanovana ny fitsipika anatiny izany. Miandry ny fifidianana ny mpikambana amin’ny birao maharitra. Solontena 13 avy amin’ny vovonana Irmar, valo tsy miankina, telo vondrona Firaisankina, ary iray Fivoi. Ireo ny depiote handrafitra ny vaomiera manokana handinika ny fanitsiana […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja ireo lehilahy roa naniratsira mpitandro filaminana teo am-panantontosana ny asany, tao Talata Volonondry, afakomaly. Mitonona ho mahafantatra mpitsara ambony izy roa lahy ireo ka notevatevainy ny zandary. Nosamborina izy roa lahy ka voatazona vonjimaika any am-ponja. Voasambotry ny zandary tao Ankadivory, fokontany Ambohimamory, kaominina Andranonahoatra, ny mpanendaka iray, […]

Nisandoka andraikitra : naiditra am-ponja ireo efa-dahy

Naiditra am-ponja avokoa ireo efa-dahy nisandoka anaran’olona ambony mpikambana ao amin’ny Governemanta izay voasambotra ny volana mey teo. Nampiasa kaonty sandoka amin’ny tambajotran-tserasera ireo mpisoloky ireo. Nangalany vola ireo lasibatra. Nitonona ho mahatafiditra ho mpiasam-panjakana rahateo izy ireo ka nanao mora ny fanambakany. Nanao fikarohana ny polisy misahana ny fikarohana […]

Ao anatina fikambanan-jiolahy : voaheloka hiasa an-terivozona 10 taona i Alain sy Laro

Fanafihana mitam-piadiana, fikambanan-jiolahy no vesatra iampangana ireto tovolahy roa mpiambina mpamongady iray ao Toamasina. Nampangain’ny « bar à pince » sy lelavola 7 tapitrisa Ar tany aminy ry zalahy ireto… Araka ny antontan-taratasin’ady laharana faha-149-Toa/23-3404-RP/21, notsaraina teo anivon’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, ny zoma lasa teo, ity raharaha ity. […]