Mois : juillet 2024

Fy Andrianarison : Boky mahakasika ny vaovao an-tsarin’ny TVM

Sambany nisy boky mirakitra ny tantaran’ny Televiziona Malagasy (TVM). Manasongadina ny vaovao an-tsary i Fy Andrianarison, mpanao gazety ao aminy. Ezaka goavana! Nampa­hafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 8 jolay teo, ny boky nosoratan’i Fy Andrianarison, mpanao gazety ao amin’ny fahitalavitra TVM. Nosoratany amin’ny teny frantsay, mitondra ny lohateny hoe : «Le […]

“Live painting” : hitohy eny Anatirova

Fanehoan-kanto efa fanao maneran-tany, saingy anisan’ireo zava-baovao anatin’ny fanamarihana ny “Iray volan’ny sary hosodoko”, ny “Live Pain­ting”. Notontosaina ny sabotsy teo ny voalohany, teny amin’ny Rovan’Ambohi­manga. Sa­my naka zoro nampiaina ny aingam-panahiny ireo mpahay kanto nandray anjara. Avy hatrany dia fanehoana talenta mivantana no natao, amin’izay endrika ho­sodoko manavanana ny […]

“Intelligence artificielle” : efa manana ny toerany eo amin’ ny famokarana horonantsary

Mivoatra manaraka ny haitao ara-kajy mirindra sy ny teknolojia ihany koa ny famokarana horonantsary. Izany indrindra no antom-pisian’ny velakevitra ho fampahafantarana ny “Intelligence artificielle”, tao anatin’ny hetsika “Madagascourt Film Festival”. Tontosa, omaly, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Ana­lakely, ny valandresaka niresahana sy namelabelarana mahakasika ny « Intelligen­ce artificielle » (IA) […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiatrika ny «Tournoi international challenger of pristina», ny Ankoay lahy, eo amin’ny taranja basikety. Fifaninanana ho an’olona telo miaraka, tanterahina any Kosovo, manomboka ny 20 jolay ho avy izao. Tokony ho ry zareo Frantsay no hanao izany saingy tsy afaka izy ireo noho ny fiatrehany ny lalao Olympika ka izao […]

Rugby – “Seven’s men Africa cup”: nankasitrahin’ny minisitra Valery Ramonjavelo

Noraisin’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS) mpisolo toerana, Ramonjavelo Valéry, omaly, tetsy Mahamasina, ny ekipam-pirenena malagasy Ma­kis sevens. Nanolotra ny teny fisaorana tamin’ny alalan’ny fanjakana ho azy ireo ity minisitra ity, noho ny vokatra tsara azon’ny Makis, nandritra ny fifanintsanana “Seven’s men Africa cup”, natao tany Maurice, ny […]