Lehilahy manodidina ny 32 taona maty an-drano teo amin’ny ranon’Ikopa, teo Tanjombato, omaly. Araka ny angom-baovao, nanasa tongotra teo amoron-drano io lehilahy io, ny tolakandron’ny alahady 7 jolay teo. Lasan’ny rano tampoka anefa izy ka nikoropaka nitazana ny mponina manodidina. Niandry azy hivoaka ireo mpanasa lamba teo akaiky saingy vao […]
Mois : juillet 2024
09 jolay 2024
Basy roa sy bala tratra: jiolahy raindahiny maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny distrikan’i Betafo, omaly. Mpanao io asa ratsy io izy ka nosamborin’ny mpitandro filaminana Marotsiazo, kaominina Betafo, ny 7 jolay teo. Nanatontosa fanafihana niaraka tamin’ny namany io jiolahy io ka antony nisamborana azy. Natao famotorana, nanaiky hitoroka ny mpiara-miombona antoka […]
Migadra i Julio Gros bras : Polisy am-perinasa voadaroka!
Polisy iray mpandrindra fifamoivoizana no naratra voadaroky ny mpamily iray. Tsy ara-dalana ny taratasiny ka nahazo fampitandremana. Nivoaka ny fiara izy, nidaroka avy hatrany ilay mpitandro filaminana. Tonga nitolo-batana teo anivon’ny kaomisaria foibe Bazarikely, Ramaherison Julio Franco, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Gros bras, noho izy voarohirohy ho nanao herisetra […]




