Mois : juillet 2024

FANTINA sy FINTINA

Hotsaraina anio ny fangatahan’ny depiote Mahavitara Sylvestre fahafahana vonjimaika (LP). Nidina an-dalambe ireo mponina any Vangaindrano, nitaky ny hamoahana azy am-ponja sy ny handraisany ny asa maha depiote azy. Tsiahivina fa eny Antanimora, nanomboka ny avrily teo izy, raha ny 6 jona kosa ny didy : Sazy mihatra 5 taona sy tsy […]

praiminisitra Ntsay Chistian : mitarika ny delegasionina malagasy any Chine

Tanterahina anio sy raham­pitso, any Guangzhou Chine, ny fihaonambe fahadimy momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Afrika mahakasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandraisana anjara ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Anisan’ ny hiatrika izany i Madaga­si­kara, ary ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, no hitarika ny delegasionina malagasy ao anatin’ izany. “Ny […]

Vola vao seza?

  Hanomboka anio ny fivoriana manokana iarahan’ny solombavambahoaka vaovao rehetra eny Tsimbazaza. Mani­manitra olom-baovao ny eny an-dapa na dia ho maro anisa aza ny tonta navadibadika. Iaraha-mahalala rahateo ny fifandanjan-kery vaovao taorian’ny fifidianana. Mifa­nen­ta­nentana eo ny mpanohana fitondrana sy ny mpanohitra miampy ny tsy miankina. Tsy afaka mbola mitompo teny […]

Depiote Razafimanantsoa Hanitra: « Tsy afaka manolotra praiminisitra ny tsy miankina »

Nitondra fanazavana momba ny fanolorana ny anarana ho praiminisitra ny depioten’ny Firaisankina, ny Me Razafi­manantsoa Hanitra. Nambarany fa mazava ny voalazan’ny lalàna momba izany. «Tsy afaka manolotra anarana ho praiministra lehiben’ny governemanta ireo solombavambahoaka tsy miankina na nanao fanambarana fa manohana sy miaraka amin’ny fitondrana aza », hoy ny depioten’ ny […]

TSELATRA

Naratra mafy notafihin’ny jiolahy ny teratany frantsay sy ny vadiny tao Antseranampasika Salazamay Toamasina, afakomaly. Izy mivady irery no ao an-trano fa tsy misy mpiambina ny tanànan’izy ireo. Notsatohan’ireo jiolahy ny antsy ny sandrin’ilay vazaha. Lasan’ireo mpanafika ny finday avo lenta, ordinatera, vola 5 hetsy Ar ary karatra fampiasa amin’ny banky. […]