Mois : juillet 2024

Fitaterana ana habakabaka : tafaverina amin’ny IATA ny Madagascar Airlines

Tafaverina ho mpikambana feno amin’ny International Air Transport Association (IATA) ny kaompania malagasy, Madagascar Airlines. Ny 11 marsa lasa teo no efa nanambara io fiverenana io ny Madagascar Airlines ka nanamafy izany ny IATA ny fiandohan’ity he­rinandro ity. Mpikambana feno eo anivon’ny IATA ankehitriny ny Madagas­car Airlines rehefa naato nanomboka […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisokatra manomboka ny 15 jolay ho avy izao, ny toeram-pandanjana fiara vaventy mitatitra entana, mam­piasa ny lalam-pirenena fahasivy, RN9. Eny Am­pondrolava, kaominina Belalanda ny toerana misy azy. Iharan’ny fana­raha-maso avokoa ny fiara mitondra entana mira na mihoatra ny 3,5 taonina. Hatao ny 11 sy 12 jolay ny andrana teknika eny […]

Mananjary: misy mangalatra ny vy ao amin’ny seranan-tsambo

Eo am-panavaozana ny fotodrafitrasan’ny orinasa IMI teo aloha ny Antokon-draharaha misahana ny seranan-tsambo an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF) any amin’ny seranan-tsambon’i Mananjary. Misedra olana anefa, ankehitriny, satria misy mangalatra ny vy ao an-toerana. Mitaraina, noho izany, ny orinasa sy ny tomponandraikitry ny seranan-tsambo, ary ireo Ampanjaka any Mananjary, ny hijeren’ny fitondram-panjakana […]

Fiaraha-miasa amin’i Sina: Ahazoana 12 t/ha ny vary safiotra

Hamafisina ny fiaraha-miasan’i Madagasi­kara sy i Sina. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana mahakasika ny hanapariahana ny vary safiotra eto amin­tsika. Mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny toe-tany eto Madagasikara ny vary safiotra. Efa voaporofo ara-teknika sady nisy andrana natao, niarahana tamin’ny sinoa teknisianina. Anisan’ny misehatra amin’ ny famokarana azy ny vondrona […]

“Mioty Fanahy” : Boky itambaran’i Zo-Maminirina sy Mampandriniaina Manitra

Tononkalo voafantina, sanganasan’ny mpanoratra roa manana ny maha izy azy, no mandrafitra ny “Mioty Fanahy”. Arahina velakevitra ny famoahana izany, rahampitso. «Ny asa soratra: Mioty Fanahy». Io no lohahevitra iom­panan’ny velakevitra ho­ma­nin’ny Faribolana Sandra­tra, hotontosaina rahampitso alarobia 10 jolay, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika […]