Mois : juillet 2024

KMF/Cnoe: “Mila havoaka mialoha ny didim-panjakana momba ny fifidianana”

“Hisian’ny fitoviana amin’ ireo kandidà rehetra handray anjara amin’ny fifidianana, ampirisihina ny governemanta hamoaka mialoha ireo didim-panjakana rehetra ilaina amin’ izay fifidianana izay”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Tolojanahary Arcelio Avosoa, ny amin’ny fiatrehana fifidianana kaominaly. Hisian’ny fampitoviana ny kandidà izay, ary manampy ny […]

Fiainam-bahoaka amin’izay…

  Mirongatra ny hala-boty any ambanivohitra tato ho ato; an-drenivohitra, tsy mety ho fongotra ny harom-paosy sy fanendahana. Zavatra na vola tsy inona akory amin’izany, mety hitondrana faharatrana sy hamoizana aina. Fahantrana no antony fototra. Miara-dalana amin’izany ny tsy fisian’asa, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fahitana mazava izay atao… Mahantra […]

Antenimierampirenena : hitarika ny fivoriana ny depiote Gascar Fenosoa sy i Modeste

Hitarika ny fivoriana voalohany sady manokana, ny talata ho avy izao, eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ireo depiote mirahalahy, avy amin’ny tsy miankina. Eo ny solombavambahoaka voafidy ao amin’ ny distikan’i Mandoto, Rakotorahalahy Modeste, sy ny depiote voafidy tao Antana­narivo III, i Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa. Izy ireo no zokiolona sy zandriolona […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, afakomaly, ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny famonoana sy fandratrana ilay tovovavy 21 taona hitan’ny olona tao amin’ny fokontany Amboniandrefana Wagon, kaomininina Ambalavao, distrikan’Atsimondrano. Fiara iray nifatratra tamin’ny sisin-dalana ka potika tanteraka teny Ankadikely Ilafy, afakomaly. Nandeha mafy io fiara io ka tra-doza. Tsy nisy aina […]

Namono mpiasan’ny kaominina : voasambotra ilay mpiambina nahavanon-doza

Niampy iray indray ny voasambotra, afakomaly, momba ny vono olona nahafatesana mpiasan’ny kaominina iray tao Antsirabe. Nisy namono ta­min’ny fomba niharo habibiana io renim-pianakaviana mpiasan’ny kaominina io, ny volana oktobra 2023 teo. Nitsoaka taty an-dRenivohitra avokoa ireo nahavanon-doza. Nanao fikarohana ny mpitandro filaminana ka ramatoa iray voasambotra ny 4 janoary […]