Mois : juillet 2024

Fakiolten’ny Siansa : nankasitrahana ireo nahavita be

Nofaranana ny faran’ny herinandro teo ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny fakiolten’ny Siansa ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Notolorana mari-boninahitra ireo mpampianatra sy mpandraharaha 144 nahavita be teo anivon’ny fakiolte ka sivy amin’ izy ireo nahazo ny «Grand-Croix de 2ème classe de l’ordre national», 70 ireo notolorana ny «Grand officier de l’ordre national», […]

Profesora Alok Sharma : efa azo sitranina any Inde ny olona autiste

Mandrosobe ny fitsaboana sy fiahiana ny zaza autiste any ivelany. Nanaporofo izany ny profesora Alok Sharma avy any Inde. Nizara traikefa amin’ny fandrosoan’ny fitsaboana sy fitaizana ireo zaza autiste ny profeso­ra manam-pahaizana avy any Inde, Alok Sharma, ny sabotsy teo, tetsy Antaninarenina. Fantatra tamin’izany fa efa afaka averina amin’ny toetenan’ny olona […]

“Telma Coupe 2024”: lasan’ny Elgeco Plus ny amboara sy ny volabe

Tafita hiatrika ny fifaninanana afrikanina indray ny Elgeco Plus Analamanga. Tsy tafavoaka tamin’izy ireo ny CFFA Andoharanofotsy. Notoloran’ny Telma lelavola avy ireo ekipa roa niatrika ny famaranana. Toy ny tamin’ny taon-dasa ihany, norombahin’ny Elgeco Plus Analamanga indray ny amboaran’ny “Telma coupe de Madagascar 2024”. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no […]

Sombim-baovao

Nifarana omaly, teny amin’ny ANS Ampefi­loha, ny fampiofanana ireo ankizy mpikatroka, taranja Karaté. Miisa 28 mianadahy teo izy ireo no niatrika izany teny an-toerana, nandritra ny efatra andro. Ankoatra izay, ny volana septambra ho avy izao ny Malagasy mpikatroka dia hiady ny ho tompondakan’i Afrika any Tunis. Nangoron-damba ny ekipam-pirenen’i […]