Mois : juillet 2024

VAOVAO TAMBATRA

Misy mangalatra ny tsivalamby arofanina amin’ny tetezana miisa 29 any amin’ny lalam-pirenena RN 44 (tapany avaratra PK 209), any amin’ny fokontany Antanifotsy, distrika Imerimandroso. Efa nampandrene­sin’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) ny tomponandraikitry ny zandarimaria. Nisy nanimba sy nandoro ny tahala amin’ny sisin-dalana amin’ny RN1 (PK 25 Beronono Imerintsia­tosika), saika […]

Fondation Uchida : mpianatra 5 nahazo vatsim-pianarana

Toy ny fanaony isan-taona, nanome vatsim-pianarana mi­tentina 1 tapitrisa Ar avy ho an’ny mpianatra miisa 5 ny fikambanana Fondation Uchida, miara-miombon’antoka amin’ny orinasa Dahio, ny 3 jolay teo. Mpianatra sampana Fanorenana sy asa vaventy (BTP) eny amin’ny sekoly ambony polyteknika ESPA Antananarivo, IST Antananarivo, ISPM Antananarivo, ESP-DIE Antsiranana ary Oniversite […]

Fandaharanasa Formaprod : maherin’ny 53 000 ny asa niforona

Tapitra ny fandaharanasa Formaprod. Maherin’ny 105 000 ny tanora nahazo fiofanana, ary mihoatra ny 53 000 ny asa vaovao niforona. Fahombiazana. Natsan­gana ny taona 2014 ny Fandaharanasa fano­fanana ho mpamokatra eny ambanivohitra (Formaprod), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Amin’izao fiafaran’ny fandaharanasa izao, nahafa-po ny vokatra, satria […]

Fiparitahan’ny laza adina – TARANJA ANGLISY : nihemotra ny fanombohana

Novain’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho la­za adina faharoa ny taranja Anglisy nanerana ireo ivontoeram-panalana fanadinana, omaly, noho ny fiparitahan’ny laza adina mialoha tamin’ireo ankizy. Anisan’ny nahitana ny tranga ny tetsy amin’ny CEG Nanisana. Niteraka fikorontanana teo amin’ny fotoana tokony ho nanalan’ny mpianatra ny fanadinana izany. Nihemotra ihany koa ny ora fanombohan’ny […]