Mois : juillet 2024

INDRAY MIJERY

Nanorina efitrano vaovao hianarana, trano fivoahana, lavadrano, kianja fanaovana fanatanjahantena ary fambolen-kazo ao amin’ny CEG Mavorano, faritra Fitovinany, ny Unicef. Nitsidika any Atsimo Atsinanana ny filankevi-pitantanany ary nahita ny asan’ny Unicef hafa hanohanana ireo marefo indrindra. Anisan’izany ny fandaharanasa fiahiana sosialy Zara Mira manohana ara-bola ny ankizy sy ny ankohonany. […]

Vatsim-pianarana : hanomboka amin’ity volana ity ny fizarana

Nisongadina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite manomboka amin’ity volana jolay ity ho an’ny volana faha-4 ka hatramin’ny faha-6. Hozaraina mialoha ny faran’ny taom-pianarana 2023-2024 kosa ny vatsim-pianarana ho an’ny volana faha-7 hatramin’ny faha-9. Nankatoavina, nandritra izany, ny famindrana ny […]

Madagascourt Film Festival : hanokatra ny sehatra ny sarimihetsika «Joro»

Tanterahina anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny lanonana fanokafana amin’ ny fomba ofisialy, ny «Ma­dagascourt Film Festi­val», andiany faha-19. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny horonantsary eto Afrika, in­drindra eto Madagasikara, ity hatao ity. Sarimihetsika anisan’ny manana ny maha izy azy ny horonantsarimihetsika “Joro”, notontosain-dRandria­manan­tsoa Rianando Ludovic, […]

Hiragasy: Hanamarika ny 35 taona an- tsehatra Rasoalalao Kavia

Iray amin’ireo tarika kalaza indrindra amin’ny hiragasy ry Rasoalalao Kavia. Hiavaka ny taom-pilalaovana, satria hanamarika ny 35 taona nilomanosan-dRasoalalao tanatin’ny hiragasy izy ireo. Ao anatiny. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ireo tarika mpanao hiragasy malaza rehetra. Ho an’ny tarika Rasoalalao Kavia manokana, efa nanomboka ny volana marsa izy ireo no […]