Naratra mafy ny vehivavy iray nendahin’ny jiolahy teny Anosy, omaly. Teo am-piandrasana taxi-be vao maraina izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy telo nitondra antsy. Lasan’ireo mpanendaka ny finday niaraka tamin’ny poketra teny aminy. Lasa nitsoaka ireo mpanendaka taorian’izay. Ravan’ny polisy ny tambajotran-jiolahy mpamaky trano ao Sambava. Nisy andian-jiolahy mpanao fanafihana miharo […]
Mois : juillet 2024
Naratra mafy : vehivavy notsindromin’ny jiolahy sabatra
Voasambotry ny zandary ao amin’ny Poste fixe Ambalavao, omaly, ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanendahana sy fandratrana tovovavy iray 21 taona, tao Ambalavao Atsimondrano. Hitan’ny olona naratra mafy teo amoron-dalana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Wagon, fokontany Amboniandrefana, kaominina Ambalavao, ity tovovavy niharam-boina ity. Niantso zandary avy hatrany […]
Antsirabe: vehivavy mpisoloky voasambotra
Ramatoa tompon’atoka tamin’ny fisolokiana voasambotry ny zandary tao Mahafaly, kaominina Antsirabe, afakomaly. Milaza ho mpiasan’ny orinasa iray ny tenany, ka norebireben’io ramatoa io ireo olona naniry hiasa ao. Nilaza fa hanokatra tobim-pahasalamana ao amin’ny kaominina Ambatolahy ny orinasa hiasany ka vitany ny mampiditra mpiasa amin’izany. Nangalany vola mitotaly 45 000 Ar […]
Hita faty tao anaty kirihitra : lehilahy tsy nisy voamaso sy hodi-tava
Niendaka avokoa ny hodi-tavany, tsy nisy voamaso intsony ary trobaka ny tendan’ny lehilahy iray hita faty tao anaty kirihitra, tao Fianarantsoa, omaly. Novonoina izy, araka ny fanadihadiana. Raim-pianakaviana nila ravinkazo no nahita fatin’olona efa simba tanteraka tao anaty lobolobo, ao amin’ny fokontany Beteravola, Fianarantsoa, omaly. Niondrikondrika naka ravinkazo vao maraina […]




