Nivoaka omaly ny fitsinjarana isam-bondrona amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny amboaran’ny “Can Maroc 2025”. Ao amin’ny vondrona « A » i Madagasikara. Notontosaina omaly, tany Afrika Atsimo, ny antsapaka hahalalana izay firenena mpiray vondrona amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025”. Miray vondrona “A” amin’i Madagasikara indray ny Nosy rahavavy […]
Mois : juillet 2024
FANTINA sy FINTINA
Nanambara ny fiadidiana ny Repoblika fa hivory voalohany ny Antenimierampirenena ny talata 9 jolay izao, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Anisan’ny lahadinika amin’izany ny fifidianana ny ho filoha sy ireo mpikambana anaty birao maharitra ary ireo vaomiera. Manana toerana filoha lefitra sy filoham-baomiera iray ny mpanohitra, araka ny fampitam-baovao. Hisolo ny […]
Fifidianana ben’ny Tanàna : tsy miova ny tolo-kevitry ny Ceni, 6 novambra
“Ny volavolan-kevitra naroson’ny Ceni eny anivon’ny governemanta ny amin’ny andro hanaovana ny fifidianana kaominaly dia ny 6 novambra. Miainga avy amin’izay, misy ireo tetiandro mifamatotra amin’ny asa takin’ny fanomanana sy fikarakarana an’izay fifidianana izay”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, afakomaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. […]
Miova raha!
Tao anatin’ny andro vitsy, mahavelombolo ny fihazakazaky ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa isan-karazany eto amin’ ny tanàna. Izay vao hita taratra ny firidan’ny lamasinina aingam-pandeha. Efa miridana atsy ny fanamboarana ny lalambe migodàna. Mijoalajoala sy mahavelombelo ny hopitaly manara-penitra ara-bakiteny. Efa mahavita mandidy fo ny Malagasy manam-pahaizana! Miaraka amin’ny fitaovana raitra. […]
Fiaraha-miasan’ny Pnud sy ny MFFT : hohatsaraina ny asam-panjakana eny ifotony
Anisan’ny ho vaindohan-draharahan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny fanatsarana ny asam-panjakana eny ifotony. Iraha-miasa amin’ny Pnud izany Notanterahina, afakomaly, tetsy amin’ny FDL Anosy, ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpiara-miomban’antoka ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ny faritra. Anisan’ny nitarika izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), […]




