Mois : juillet 2024

Tsy an’ny mpanala Bac irery intsony: voatetin’ny « Manal’Azy vita Bacc » ny 33 taona

… Somary nangingina… Tonga tsikelikely ny mpijery… Feno tanteraka ny Kianja Barea Imahamasina. Nahitana sokajin-taona samihafa ny teny an-toerana. Nafana tanteraka ny « Manal’Azy vita Bacc » andiany faha-33. Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Barea Imahamasina, ilay fampisehoana « Manal’ Azy vita Bacc » niarahana tamin’ny Olombelo Ricky. Andiany faha-33, nahitana fa tsy an’ny […]

FANTINA sy FINTINA

“Tsy mety intsony hoe izao no mbola hifampidinika”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny faran’ny herinandro teo. Tsy any amin’ny hoe mila fifampidinihana sy fiaraha-mitan­tana izany izao. Efa voafidy ny filohan’ny Repoblika ary efa voatendry ny Praiminisitra. Aleo hanao ny asany araka ny tokony ho izy ry […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Ialao ny fihatsarambelatsihy

Ho an’ny rehetra ny hafatra? “Ialana ny fihatsarambelatsihy, ialana io kabary tsara lahatra io. Fa mba ho hita taratra marina ary hita eo amin’ny fiainana ny fandrosoana, ny fifankatiavana marina”. Izay no anisan’ny anjara fitenenan’ny kardinaly sady arsevakan’ny diosezin’i Toamasina, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, nandritra ny sorona masina notarihiny tany […]

Fihemorana… handrosoana

Azo antoka izao fa hihemotra amin’ny 11 desambra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izay nokasaina hatao amin’ny 6 novambra? Raha tsy misy ny fiovana amin’ny fotoana farany… Tsy inona fa izay mety ho fanapahan-kevitry ny governemanta, indrindra ny Filan­kevi-panjakana izay fitsarana misahana izay fifidianana izay. Hanao ahoana? Azo […]

Fifanaraham-piaraha-miasa: hitsidika an’i Guinée-Bissau ny filoha Rajoelina

Taorian’ny fitsidihana nataony tany Frantsa, izay nihaonany tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy nanatrehany ny lanonam-panokafana ny lalao Olympika dia manohy ny diany any amin’ny kaontinanta afrikanina indray ny filoha Rajoelina Andry. Manomboka ny fitsidi­hana an’i Afrika izay tanterahin’ny filoha Rajoelina Andry. Andrasana anio folakandro ao Bissau, renivohitr’i Guinée-Bissau, izy […]