Nisy ny fiofanana ho an’ ny mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny hopitaly ao amin’ny urgence teo anivon’ny DRSP Analanjirofo, niarahana tamin’ny DCAmum sy ny OMS. Fiofanana namaliana ny hetaheta hanatsara hatrany ny tolotra fahasalamana omena ny vahoaka ary manaja ny maha olona. Fanamafisana ireo traikefa amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary (serasera) […]
Mois : juillet 2024
Orange Madagascar : mpiasa 500 nisitraka tolotra fahasalamana
Isan-taona, manokana andro iray ho fanentanana ny mpiasa rehetra ao aminy momba ny fandraisan’ny orinasa Orange anjara amin’ny fahasalamana, fiahiana ary ny fenitra hanatanterahina ny asa ny tomponandraikitra mpitantana. Toerana efatra no nanatanterahina izany: Antananarivo, Tanjombato, Mahajanga ary Fianarantsoa. Nisantatra izany ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, i Frédéric Debord, ary […]
Bakalorea-sampana teknika : 11 262 ny mpiadina manerana ny Nosy
Hanomboka anio ka haharitra hefarana ny fanadinana bakalorea, dingana faharoa ho an’ny sampana teknika. “Efa vonona handray ny mpiadina ny foibe sy ny mpanara-maso rehetra”, hoy ny tomponandraikitra. Mahatratra 11 262 ny isan’ny mpiadina manerana ny Nosy. 221 amin’ny sokajy technologique ary 11 041 ny fampianarana teknika sy arakasa. Momba ny fitsarana […]
Faha-100 taonan’ny tily eto Madagasikara : hiavaka ny lasy lehibe eny Fihaonana Ankazobe
Hakotrokotroka ny lasy fankalazana satria endrika lasy mbola tsy nisy tao anatin’ny 100 taona no hankalazana ny jobilin’ny skoto tily eto Madagasikara. Ny 1 hatramin’ny 5 aogositra ho avy izao no hanatanterahina izany. Efa vonona avokoa ny rehetra ka eny Fihaonana Ankazobe, PK 55 RN4, no hifanao fotoana ny tily rehetra. Rahampitso dia […]
Sombim-baovao
Nitsara ny lalaon’i Serbie sy i Porto Rico, vondrona “A”, sokajy vehivavy, any amin’ny lalao Olympika tanterahina any France, i Yann Vezo Davidson, Malagasy mpitsara basikety. Omaly no niatrehany izany, tao amin’ny kianja mitafon’i Pierre Mauroy, ao Lille. Tsiahivina fa izy no hany afrikanina mpitsara voatendry amin’izany. Notanterahina nanomboka omaly, […]




