Mois : juillet 2024

MFF, andiany faha-19: handray anjara amin’ny hetsika i Sylvain Marc

Misy hatrany ny fanolorana zava-baovao ho an’ny mpanaraka ny hetsika. Anisan’izany ny fandraisan’i Sylvain Marc, izay manana ny lazany eo amin’ ny mozika sy ny horonantsary maneran-tany, anjara. Tanterahina ny 5 hatramin’ny 12 jolay 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Anala­kely, ny « Madagascourt Film Festival » (MFF) andiany fa­ha-19. […]

FANTINA sy FINTINA

Nodimandry teo amin’ny faha-83 taonany, ny fiandohan’ny herinandro teo, Rajakoba Daniel. Tsy salama ary notsaboina tetsy amin’ny Homi izy izao lasana izao. Anisan’ny nanorina ny antoko Fihavanantsika ity pasitera ity ary efa kandidà filoham-pirenena ny taona 2001 sy ny taona 2006. Efa minisitry ny Asa, fony governemanta Ramanantsoa koa izy. […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina : « Manana adidy goavana ny ben’ny Tanàna »

Notanterahina tany Van­gain­drano, ny alatsinainy teo, ny fihaonana tamin’ireo ben’ny Tanàna miisa 98 anatin’ny distrika manodidina sy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny niatrika izany ireo avy any Fara­fangana, Vangaindrano, Von­drozo, Midongy Atsimo ary Befotaka Atsimo, mandrafitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Notsiahivin’ny minisitra […]

Vonona hanompo

  Anatin’ny fotoam-pitondrana faharoa an’ny filoha Rajoelina tanteraka isika izao. Hiditra amin’ny dingana manaraka, dia ny asa amin’izay. Azo lazaina fa efa mihodina ny lamasinina amin’ny fanatanterahana ny iraka isam-paritra izay nilokalokana tamin’ny fampielezan-kevitra. Porofon’ireny, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny delegasiona notarihiny, nizaha ny fanamboarana ilay lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo […]

Lalambe migodàna : “Tsy maintsy vita hatramin’ ny farany”, hoy ny Filoha

Mitohy ny fanatanterahana ny fanamby natao tamin’ny vahoaka. Nidina ifotony, nijery ny fivoaran’ny asa amin’ilay lalam-be migodana ny Filohan’ny Repoblika mivady, omaly. Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny arabe migodàna, An­ta­na­narivo – Toamasina, ny filoha Rajoelina Andry mivady, omaly. Nanotrona azy tamin’izany ireo olom-panjakana sy olom-boafidy maro samihafa. Tao amin’ny […]