Nahemotra ho an’ny rahampitso maraina indray ny fanolorana ireo olona voarohirohy amin’ny raharaha fisolokiana momba ny Box Miami. Niampy telo indray ireo olona nametraka fitoriana tamin’ity raharaha ity ka anton’ny nanemorana ny fanolorana eo anivon’ny fampanoavana ireo olona voasaringotra. Tafaverin’ny polisy amin’ny tompony avokoa ireo omby valo nangalarin’ny dahalo tao […]
Mois : juillet 2024
Lalam-pirenena faha-32 A: maty voatifitra i Ndrepeno, mpanakan-dalana
Lavon’ny balan’ny zandary nanao fisafoana tampoka ny jiolahy raindahiny amin’ny fanakanan-dalana tao amin’ny lalam-pirenena faha-32 A, mampitohy an’i Vohitraivo, kaominina Vohimena, sy ny renivohitry ny distrikan’Andilamena, afakomaly. Nitrangana fanafihana teny amin’io lalana io, tamin’ny 29 jona teo, tamin’ny 3 ora maraina. Fiara taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Andilamena no lasibatra. Tsy […]
Mangarano-Toamasina : trano efitra roa kilan’ny afo
Hotohoton’ny afo ny trano misy efitra roa tao amin’ny fokontany Mangarano I11/46, kaominina Toamasina, afakomaly alina. Nidona-tsetroka tampoka tao amin’io trano lasibatra io tamin’ny 8 ora alina. Nikoropaka niantso vonjy ny tompon-trano lasibatra. Niezaka hamoaka ny entana tao anatin’ny trano izy ireo saingy nihombo tao anatin’ny minitra vitsy ny afo. […]
Hosoka tamin’ny BEPC: mpianatra 18 mianadahy naato!
Tsy afaka manohy intsony ny fanadinana BEPC ny mpianatra 18 mianadahy. Tra-tehaka teo am-pandikana ny valin’ny laza adina matematika izy ireo, omaly. Mpampianatra iray nosamborina. Noraisim-potsiny! mpampianatra iray amin’ny sekoly tsy miankina ao amin’ny faritra Sofia no voasambotra, omaly. Tra-tehaky ny polisy teo am-pizarana valina laza adina matematika tamina mpiadina […]




