Nitondra fanampiana ho an’ireo sahirana sy tsy manan-kialofana eto an-dRenivohitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny alin’ny sabotsy teo. Nitarika izany ny minisitra, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, amin’ny maha minisitra mpisolo toerana azy misahana ny Mponina. Nidina nijery ifotony, nanolotra sakafo mafana sy lamba firakotra ho azy ireo ny tenany, niaraka […]
Mois : juillet 2024
Jono makamba : nampidi-bola hatrany amin’ny 7,455 miliara Ar
Tafakatra 7,455 miliara Ar ny vola azo tamin’ireo sambo mpanjono makamba aty amin’ ny fari-dranomasin’i Madagasikara, hatramin’ny 17 jona teo. Fantatra fa mitotaly 39 ireo sambo nahazo alalana avy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga hanjono izany, ho amin’ity taona ity. Marihina ihany koa fa mitotaly 6,055 miliara Ar […]
VAOVAO TAMBATRA
Hiara-hiasa amina orinasa malagasy ny Global Li-Ion Graphite Corp hijery ireo tahirina Uranium eto Madagasikara. Kendrena ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa ny hanombanana ny tetikasa izay miampita amin’ny fampiasana ny angovo maitso. Ankilany, efa vonona hitrandraka ny Graphite ao Ambatoharanana ny orinasa. Hisokatra tanteraka manomboka rahampitso ny lalam-pirenena fahenina (RN6), taorian’ny fahatapahana […]
Fanjifana : tokony hanara-penitra ny vokatra amidy eny an-tsena
Hentitra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (Mic) amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa, manoloana ireo vokatra efa simba na koa lany daty amidy eny an-tsena. Malalaka ny tsena ho an’ny mpanjifa amin’ireo vokatra tiany ho vidiana saingy tokony hanaraka ny fenitra sy hanaja ny fahasalamana […]
INDRAY MIJERY
Misy fiakarana kely ny maripana ambony indrindra fa ny maripana ambany indrindra dia tsy hisy fiovana fa mbola hangatsiaka hatrany. Eto Antananarivo 6°C – 22°C ny maripana raha hidina hatramin’ny 2°C ny ambany indrindra any Antsirabe. Momba ny toetry ny andro, ny tolakandro, handrahona mitsitokotoko any Ambatosoa sy Analanjirofo. Hibaliaka […]




