Miverina tanteraka amin’ny heriny i Hakim Abdallah, lohalaharan’ny Barea, amin’izao fotoana izao, taorian’ny ratra nahazo azy. Nahatafiditra baolina telo ny tenany, omaly, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana izay nifanandrinan’ny ekipa misy azy, Dynamo de Bucarest sy ny Domzale. Nandresy 4 no ho 3 izy ireo. Voahosotra ho tompondaka an’ny « Runball 2024 », […]
Mois : juillet 2024
Baolina kitra – «Euro 2024»: nahintsan’i Suisse i Italie, tompondaka farany
Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, «Euro 2024». Fihaonana tanterahina any Allemagne. Ny sabotsy lasa teo, nahintsan’ny La Nati Suisse, teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana, ny Squadra Azzura Italie, tompondaka farany. Resin’izy ireo, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0. Baolina matin’i Freuler, […]
« Coca-Cola PFL »: Solontenan’ny Malagasy any Afrika ny Disciples FC
Manana solontena i Madagasikara. Ilay klioba avy ao Vakinankaratra no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fifanintsanana afrikanina « Ligue des Champions-CAF » rehefa nahazo ny amboaran’ny “Coca-Cola PFL”. Sambany teo amin’ny tantara! Norombahin’ny Disciples FC Vakinankaratra ny amboarabe sy ny lelavola 20 tapitrisa Ariary, tamin’ny fifanintsanana “Coca-Cola Pureplay Football League (PFL)”, omaly, teny […]
Soratra, hira, kabary… : hotsaroana i Abel Andriarimalala
Andrarezin’ny teny sy ny soratra. Abel Andriarimalala, mpamoron-kira manana ny lazany eto an-toerana sy any ivelany. Fantatra fa hanatanteraka hetsika lehibe iray ho fahatsiarovana ity oloben’ny kolontsaina sy zavakanto malagasy ity ny fikambanana niara-niasa taminy any ivelany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana hotanterahina ny sabotsy 6 jolay, ao amin’ny Efitrano Bexley, […]
TARATRY ny KANTO
Foko Mikea. Naseho tetsy amin’ny (IFM) Analakely, ny sabotsy teo, ny sary fampirantiana maneho ny fiainan’ny mponina Mikea. Sary notontosain’i Thierry Cron sy Jean-Claude Vinson. Tanjona ny hanehoana sy hampahafantarana ny tena tontolom-piainan’izy ireo any amin’ny misy azy. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ity ivontoerana ity ny hetsika. Naseho […]




