Mois : juillet 2024

Toekarena manga : Jerena ny fitrandrahana ambany ranomasina

  Natao tany Kingston Jamaïque ny fanomanana ny fivoriamben’ny « International Seabed Authority » (Isa) mahakasika ny fitrandrahana metaly sarobidy ao ambany ranomasina (Deep Sea Mi­ning), ivelan’ny fari-dranomasina manokana (ZEE). Ahitana betsaka ireo karazana metaly ireo toy ny kobalta, Manga­nèse, Cuivre ny ranomasimbe Pasifika (Clipper Clipperton Zone) sy Indiana. Anisan’ireo nandray anjara […]

Toamasina : hitokona ny mpiasan’ ny seranan-tsambo

Mandrahona hampiato ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo mpiasa avy ao amin’ny orinasa tsy miankina manao izany. Nilaza izy ireo fa misy halatra sy fitaka ny fandraisan-karama. Maherin’ny 50 000Ar ny vola alana amin’ny karaman’ireto mpiasa, nanomboka ny volana avrily, saingy tsy voaresaka tao anatin’ny fifanarahana arakasa izany. Ankoatra izay, […]

Fikojakojana lalana : mandroso paikady ho an’ny teknisianina malagasy ny Jica

Manome fiofanana momba ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana ry zareo Japonais. Nisy ny fiofanan’ny Malagasy teknisiana tany Japon. Manohana an’i Mada­gasikara amin’ny ha­metrahana rafitra sy paikady maharitra hikojakojana ny lalana sy ny tetezana ny Fiarahamiasa japonais ho an’ny fampandrosoana (Jica). Voarakitra ao anatin’ny Teti­kasa Fampivoarana ny fahaiza-mitantana amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny depiote voafidy tao Bealanana, Faritra Sofia, i Jaozandry René, fa hamolavola tolo-dalàna iadiana amin’ny halatra omby. Efa miray hina amin’izany ireo depiote ao amin’ny Faritra Sofia. Hohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana eny an-toerana ho fandravonana ny ady tany izay anisan’ny sakana koa amin’ny fampandrosoana. Hanao fivoriambe ao […]

Clément Jaona : “Ara-dalàna ny fifidianana amin’ny 11 desambra”

“Nanomboka tamin’ny 10 janoary 2020 ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, dia nifarana ny 10 janoary 2024. Nohalavaina herintaona izay fiafaran’ny fe-potoam-piasana 10 janoary 2024 izay. Izay no hifarana amin’ny 10 janoary 2025”. Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna Clément Jaona. Manoloana ny adihevitra politika ny amin’ny fanemoran’ny Ceni […]