Mois : juillet 2024

TSELATRA

Moto scooter iray potika tanteraka niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalan’Ambohitri­man­jaka, omaly atoandro. Naratra ny mpandeha roa tamin’io moto io. Fiara tsy mataho-dalana iray no nifandona tamin’izy ireo. Hita tsy lavitry ny tanàna saingy efa tsy nisy maso intsony ny lohan’ilay lehilahy nisy nanapa-doha tao Antanimieva, distrikan’ i Morombe, ny alarobia […]

RN 6 : Taxi-borosy notafihin’ny jiolahy

Nitrangana fanafihana taxi-borosy iray teny amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6), ny talata teo. Tao Manerinerina Avaratra no nitranga ny fanafihana, araka ny fanazavan’ireo mpandeha tao amin’ilay taxi-borosy. Fiara miasa ao amin’ny kaoperativa iray mampitohy an’i Mahajanga sy Manerine­ri­na Avaratra ity nisy nanafika ity. Voalaza fa avy any Ma­hajanga ilay taxi-borosy […]

Nahazo 5 tapitrisa Ar : mpisoloky voasambotry ny zandary

Tratran’ny zandarimaria miasa ao amin’ny Tobi-paritra Mananara, ny mpisoloky iray nilaza ho mahay mampitombo vola, afakomaly. Manatona olona mihitsy izy ary mitady izay azony hambakaina amin’io fandrebirebeny io. Mpamboly lavanila iray tao amin’ny Antsirabe-Fotsiarivo, kaominina Analampotsy, Kaominina Mananara Avaratra no lasibatra. Nampiresahana io raim-pianakaviana io ka nampanantenainy fa hitombo vola […]

Mody nividy zava-pisotro: efa-dahy saika handroba “Bar”

Voasambotra avokoa ireo efa-dahy nanambana antsy ny mpandray vola tao amin’ny trano fisotroana iray tetsy Manjaka Ilafy, afakomaly. Mody nividy zava-pisotro toy ny olon-drehetra, efa-dahy nitondra antsy nikasa handroba tao amin’ny toeram-pisotroana iray teny Manjaka, anatin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy, afakomaly. Niara-niditra tao amin’io toeram-pisotroana io izy efatra mirahalahy. Nan­dinindinika ny manodidina, […]