Mois : juillet 2024

ONG Water Aid: Nanokana vola 45 tapitrisa dolara nampivoarana ny rano

Manana anjara biriky amin’ny fampivoarana ny fisitrahana rano madio ny ONG Water Aid tao anatin’ny 25 taona niasany teto Madagasikara. Nitombo avo roa heny ny tahan’ny olona nisitraka rano madio.Nihatsara ny fampiasana ny fotodrafitrasam-pidiovana. 25 taona niasana teto Madagasikara ny ONG Water Aid ho fanohanana ny fahazoana rano madio sy […]

Fomba sy kolontsaina : marihina any Ankaratra ny «Alahasatibe»

Taorian’ny fankalazana ny Alahamadibe, hiroso amin’ny fanamarihana ny «Alahasa­tibe 2024» ny vondrona «Tsy ma­mo­rona fa mamelo-ma­so ». Ny 4 aogositra hatramin’ ny 09 Aogositra no hanatanterahana izany any Ankaratra. Ala­ha­sa­ti­be na «Andron’ody», manana fototra ho fanovozan-kery avy amin’ny hazo sy ny rano mba ho masim-bava mi­teny sy hahamasin-tana-mandray. «Ankaratra no nofidina […]

TARATRY ny KANTO

Fampianarana ao anatin’ny iray volana ! Manomboka manana ny lazany io ao anatin’izao fialantsasatry ny mpianatra izao. Inona no hay ao anatin’ ny iray volana ? Ny fototra amin’ny fikabariana, fitendrena zavamaneno, filalaovana fanorona, sns. Dia avy eo… Miankina amin’ny mpianatra ny hanohy na tsia. Hatreo amin’io dingana io, mety hisy fahamarinany […]

Gadona Rock : hamoaka ny rakikira fahefatra ny tarika Duzzy Brains

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny tarika Duzzy Brains. Hiezaka hivelatra kokoa amin’ny eto Madagasikara ny tarika, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Tontosa omaly, teny amin’ ny Kudéta Anosy, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nataon’ny tarika Duzzy Brains. Tao anatin’izany no nampahafantarana misimisy kokoa ny tarika sy nilazana ny mahakasika […]

Lalao Olympika 2024 : hisantatra ny fifaninanana i Jonathan, anio

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, tao Paris France, ny lalao Olympika 2024. Firenena 206 no hiady medaly volamena amin’ny taranja 47. Anisan’ireo i Madagasikara. Hisantatra ny fiakarana an-tsehatra, Raharvel Jonathan eo amin’ny taranja lomano. Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny lalao Olympika 2024, notanterahina tao amin’ny reniranon’i Seine, omaly, avy hatrany […]