Hampitoviana ny fomba hanatrarana ny tanjona fahatelo voaraikitry ny Lasitra maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina, antsoina hoe 30×30. Satria tsy afa-misaraka ny fampandrosoana, ny fanomezan-danja ny maha olombelona ary ny fikajiana ny karazan-javamananaina. Voafaritra ao anatin’ny Fifanarahana mahakasika ny fifahasamihafan’ny zavamananaina (CDB) natao tany Rio Brezila, ny taona 1992, izay nankatoavin’i […]
Mois : août 2024
VAOVAO TAMBATRA
Manakaiky ny ampahefatry (1/4) ny asa ny fanamboarana ny lalana fivoahana haingana (voie rapide) mampitohy ny RN2 sy ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Tokony ho vita amin’ny volana mey 2026 ity asa ity, mirefy 9,6 km, tanterahin’ny orinasa Sinohydro. Ho ampiasain’ny fanjakana ny ambim-bolan’ny Fidirambolan’ny fanjakana madiodio (Rpi) tsy lany tamin’ny […]
Tetikasa PTaso : hampandroso ny indostrialy
Hampihena ny fanafarana vokatra ara-pambolena voahodina sy hanatsara ny fiarovana ara-pahasalamana ary hanatsara ny fahaiza-manao eo amin’ny mpamboly mpandraharaha ny tanjon’ny tetikasa PTaso. Hampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ihany koa. Ankehitriny, mametraka ny vala indostrialy natokana ho an’ny fambolena (PAI) sy ny […]
Angovo azo havaozina : hizara traikefa ireo matihanina
Vahaolana iatrehana ny fahatapahan-jiro ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina. Hitondra ny anjara biriky, hizara maimaimpoana ny fahaiza-manaony ireo teknisiana, anio. Hotanterahina eny amin’ ny LTP Alarobia, rahampitso, ny varavarana misokatra hampahafantarana ny fampiofanana ho teknisianina matihanina amin’ny fampiasana fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Hizara ny traikefany, eny an-toerana, ireo […]
INDRAY MIJERY
Niakatra ho 821 250 ny tokantrano hisitraka ny tohana ara-bola “Tsimbina” raha noheverina ho 657 000 teny am-panombohana ny tetikasa. Ho an’Antananarivo Renivohitra, mahatratra 150 000 ny tokantrano hisitraka ny 200 000 Ar, izay atao indroa mandoa amin’ ny mobile money. Tokantrano 522 759 no efa nahazo ny anjarany ho an’ny faritra maromaro. Hitohy […]




