Mois : août 2024

“Nosy Be Symphonies” : miditra amin’ny andiany fahasivy

Fanararaotra ho an’ireo mpiangaly ny mozika milamindamina eto Madagasikara ny hetsika sahala amin’itony, ahafahana mivelatra sy mampitombo ny traikefa sy fahaiza-manao. Tanterahina any Nosy Be, nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 1 septambra 2024, ny “Nosy Be Symphonies, Festival de musi­que classique de l’Océan In­dien”, andiany fahasivy. Hetsika […]

Taranja Parkour: Kolontsain’ny lalana, hitaizana saina

Nanomboka ny 28 aogositra teo hatramin’ny 1 septambra izao, eto Antananarivo, ny « Festival Alefa parkour », andiany fahatelo. Kolontsain’ ny lalana iray ahafahana miala ny sakana rehetra eny anivon’ ny fiarahamonina. Kolontsaina sy fanatanjahantena izy amin’ ny ankapobeny. Sady fanatanjahantena feno no mamola­vola ny saina. Tombony maro no azo, toy ny […]

Tsiry Rajaonarison: mamokatra hira amin’ny tenim-paritra maro

Manana ny mampiavaka azy amin’ny hafa! Mpanakanto tia ny teny malagasy Rajao­narison Harinjaka Tsiry na i Tsiry. Miezaka manome vokatra amin’ny tenim-paritra samihafa ny tenany. Ny alahady lasa teo, tao anaty tambajotran-tserasera, namoaka ny hira mitondra ny lohateny hoe “Nge Tia” ity tovolahy misehatra amin’ny tontolon’ny hira ity. Ahitana tenim-paritra […]

Satria very ny fototra…: Simban’ny resa-pinoana ny Malagasy

Tao anatin’ny andro maromaro, nafana ny fanehoan-kevitra momba ny finoana. Tao ny nanome tsiny. Nisy ny variana sy gaga. Tsy vitsy ny nanidy ny vazany. Ireo zatra mampiady tarehimarika, nanao izany avy hatrany. Nitranga ireny, satria, very fototra ny Malagasy ! Nifanaretsaka ny fantsy ! «… mpangoron-karena » ! « Olona badraodra mora ambakaina » !… « Mahantra […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy latsaky ny 20 taona, lehilahy sy vehivavy, izay hatao any Farafangana. Anisan’ny tafakatra hiatrika izany ny BC Est Atsimo Andrefana, rehefa nandavo ny Ascut, tamin’ny isa 45 no ho 30. Nanatanteraka fihaonana sy fifampizarana eo amin’ny samy […]