Mpianatra L3, mahatratra 62, ao amin’ny Parcours Médiations et Management Culturel, amin’ny Mentions Études Françaises et de la Francophones, Oniversiten’Antananarivo, no nanao fanadiovana faobe anatin’ny faritry ny oniversite, nanomboka omaly. Tafiditra anatin’ny module Médiation de développement local ny asa fanadiovana sady fanentanana ny mpianatra rehetra hifandrimbona hanatsara ny tontolo manodidina […]
Mois : août 2024
ONN-Foara B to C : nizara torohevitra momba ny sakafo
Nisokatra ny alarobia lasa teo ny “Foara B to C”, nandraisan’ireo fikambanana na ONG anjara, tanterahina eny an-tokotanin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolotsaina Mahamasina. Nitondra torohevitra ho an’ny mpitsidika momba ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fampianarana ny sakafo ara-pahasalamana ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN). Manana toby Fafi […]
Sambo Mercy Ships : hohavaozina ny fifanarahana amin’ny fanjakana malagasy
Nanana anjara betsaka tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo ny lafiny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka. Hotohizana ny fiaraha-miasa amin’ny Mercy Ships Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny firosoana amin’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fikambanana tsy miankina Mercy Ships. Ny taona 2014 no nisy ny […]
TARATRY ny KANTO
Hisy valandresaka momba ny tantaran’ny « estival Hosotra », karakarain’ny Fondation H ny 7 septambra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’izany koa ny tetikasa hoentin’i José Nirina, mpanakanto mpanao hosodoko, iray amin’ireo namolavola ny « Hosotra » hatrany am-boalohany. Rabearivelo Dina (hairaha arak’endrika amam-bika), ary i Christian Andriambelo (mpanavao ny asa tanana kanto eto […]
Festival Temps Fort Danse : nizara ny fahaiza-manaony i Kezia Jonah
Tontosa omaly, teny amin’ ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny atrikasa sy fifampizarana, natokana ho an’ireo matihanina eo amin’ny dihy, niarahana tamin’i Kezia Jonah, Malagasy matihanina eo amin’ ny tontolon’ny dihy. Tonga maro nihanoka izany ireo Malagasy matihanina, nandray ny traikefa sy nifampizara fahaiza-manao tamin’i Kezia Jonah. Tafiditra […]




