Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra fa maratra ilay lohalaharan’ny Barea de Madagascar, Hakim Abdallah. Andrasana izay fanapahan-kevitra raisin’ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, mahakasika izany. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nantsoin’ny Coach Rôrô hiatrika ny andro voalohany sy faharoan’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hanaovana ny […]
Mois : août 2024
D2 Nasionaly : hifandona ny Jet Kintana sy ny AS Ste Anne
Hotontosaina, anio, any Ambositra sy Ambatondrazaka, ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, ho an’ny diviziona faharoa nasionaly, “World Cola Ligue des Champions.” Ho an’ny vondrona any Ambositra, lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Jet Kintana Itasy sy ny AS Ste Anne avy eto Analamanga. […]
Tournoi de Capricorne: miisa 375 ireo mpandray anjara
Nifaninana nanomboka omaly ireo judokas malagasy manerana ny Nosy, miatrika ny fifaninanana “Tournoi de Capricorne”, taranja Judo, andiany faha-28, tanterahina any Toliara. Mpikatroka manerana ny Nosy 375 no tonga any Toliara, nanomboka ny 28 aogositra lasa teo hiatrika ny andiany faha-28 amin’ny “Tournoi de Capricorne”, taranja Judo. Tamin’io alarobia 28 […]
Fampianarana ambony : Be mpisafidy ny lalam-piofanana informatika sy ny asa sosialy
Manodidina ny 10 000 isan-taona ireo ankizy afa-panadinana bakalorea. Sarotra ho an’izy ireny ny misafidy ny lalam-piofanana arahina eny amin’ny ambaratonga ambony eto an-toerana. Anisany be mpisafidy ny mahakasika ny Informatika sy ny Asa sosialy. Lalam-piofanana voalohany anisan’ny mahasarika tanora maro eto Madagasikara ny tontolon’ny informatika. Mora ahitana asa sy betsaka tolotrasa […]
FANTINA sy FINTINA
Nanamafy ny maha kandidà an’i Madagasikara ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nanentana sy niantso ny fanohanan’ireo firenena afrikanina, indrindra ny eo anivon’ny firenena Sadc miatrika ny fivoriana eo amin’i Japon sy Afrika (Ticad), any Tokyo, ny tenany amin’izany. Mahafeno ny fepetra ara-teknika takina […]




