Mois : août 2024

FANTINA sy FINTINA

Vonona hofidiana ho filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, araka ny hita tao amin’ny facebook an’ny HVM. Voalaza fa kandidà tsara toerana izy satria hanohana azy ireo mpitarika politika Afrikanina. Andrasana ny ho fankatoavan’ny fanjakana sy ny fanoloran’ny filoha Rajoelina azy, afahany mifaninana. Hihaona amin’ireo mpanohana […]

Fananan-tany: mitohy ny fanatsarana ny ady amin’ny kolikoly

Tontosa omaly, teny amin’ ny Hotel Panorama Andraina­rivo, ny tatitry ny atrikasa mahakasika ny fitilina ireo ambana kolikoly mandritra ny fizotran’ny fiarovana fananan-tany, nokarakarain’ny Trans­parency International- Initia­tive Madagascar (TI- IM). Anisan’ireo izay niatrika izany ny Tahirim-pirenena momba ny fananan-tany, niaraka ta­min’ny solontenan’ny fitaleavana momba ny fandrefesan-tany. Ireto farany, izay nisolo […]

Aia koa ro ahita ?

  Mahoraka ny any an-drenivohitr’i Boeny. Vory lanona any avokoa ny solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana maherin’ny 4000, hoy ny avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Vory lanona mampiseho firaisankina izy ireo. Samy nahatonga solontena avokoa ny avy amin’ny faritra rehetra. Maresaka ny tanàna, mafana manaraka ny toetr’andro ny ambiasy. Miredareda ery ny firaisam-pon’ny […]

Fifandraisana amin’ny any ivelany: fifanarahana fito no vita sonia teo amin’i Angola sy i Madagasikara

Hitohy anio ny fitsidihana ofisialy ataon’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara any Angola. Fifanaraham-piarahamiasa miisa fito no vita sonia, omaly. Manga ny lanitra! Fifa­naharaham-piarahamiasa fito no nosoniavin’ny fanjakana malagasy sy angolais, omaly, tao amin’ny lapam-panjakana any Luanda. Tafiditra amin’ny fihaonana eo amin’ny delegasionin’ny firenena roa tonta izany. Nitarika ny fotoana ny filoha […]

TSELATRA

Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny lehilahy iray nikasa hanolana ny zana-drahalahiny. Maty ny rain’io zaza io ka ity rahalahiny ity no nandray ny fitaizana io ankizivavy 13 taona io. Manatanteraka fitokonana faobe ny mpiasan’ny Fofifa rehetra, anio. Takin’izy ireo ny fametraham-pialan’ny ramatoa tale jeneraly vaovao. Tapitra, omaly, ny fe-potoana […]