Mois : août 2024

Kolikoly avo lenta : manjaka ny herisetra ara-nofo

Tranga niseho tamina fianakaviana mahatsiaro hiharan’ny tsindrihazolena no resahin’ity renim-pianakaviana ity. Mahakasika ny fanararaotana ara-nofo nahazo ny zanany, izay nataona mpandraharaha iray. “Novetavetaina, noraviravizana vola ary norahonana mihitsy aza. Farany, bevohokan’ny tovolahy mpandraharaha ilay zanako 16 taona ary noteren’ ilay lehilahy hanala zaza avy eo”. Tsy nanaiky izany ny fianakaviana […]

HCDDED tany Toamasina: “Ilaina ny demokrasia sahaza ny Malagasy”

Nanatanteraka valandresaka tao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), ny herinandro teo. Niompanan’ny lohahevitra sy nanentana ny mpianatra ny asa sy ny andraikitr’ity rafitra iray ity. Namintinan’ny filoha lefitry ny HCDDED, i James Ramaroson, izany ny […]

Fikarakarana fifidianana: nankasitrahan’ny Pnud ny ezaky ny Ceni

Nandray ny solontenan’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana (Pnud), i Natasha Van Rijin, ny avy eo anivon’ny Ceni, omaly, teny Alarobia. Nambarany tamin’izany fa afapo tamin’ny ezaka nataon’ ity rafitra ity izy ireo. Anisan’ izany ny nanatanterahana ny fifidianana mangarahara, nandraisan’ny rehetra anjara ta­min’ireo zotram-pifidianana nifanesy. Nohamafisiny ny fitohizam-piaraha-miasa hahamafy orina hatrany […]

Fifidianana ben’ny Tanàna: mitaky mangarahara amin’ny volan’ny kandidà ny OSC

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena miisa 86 eo anivon’ny OSC, omaly, tetsy Ambatonakanga, amin’izao hiatrehina ny fifidianana eny anivon’ny kaominina izao. Maromaro ireo fitakiana sy fepetra napetrak’izy ireo. “Tokony hamafisina ny fangaraharan’ny fandaniam-bola mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ ny alalan’ny fanasiana sazy mi­fandraika amin’ny kandidà mpandika lalàna, tsy manokatra kaonty […]

Antoko Maitso: “Governemanta teknika no tokony hajoro”

“Mety izao hoe efa mitsangana ny Antenimierampi­renena vao mametraka governemanta. Heverin’ny antoko Maitso fa tokony ho governemanta politika izy io, na izay manana solontena ao amin’ny Antenimierampirenena no tokony ho minisitra”. Izay ny fanambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara, i Georget Alexandre, ny amin’ny fandrafetana governemanta vaovao amin’izao fe-potoam-piasana […]