Mois : août 2024

Filankevi-panjakana : raikitra amin’ny 11 desambra ny fifidianana

“Naharay didim-panjakana avy amin’ny Filankevi-panjakana tokoa izahay eto amin’ny Ceni ny amin’ny 11 desambra no hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly izay nahazo ny fanka­toavan’ny Filankevi-panjakana fa amin’ny 11 desambra. Ao […]

Namearison Robert : “Miandry ny governemanta sy ny fanajany lalàna momba ny fifidianana isika”

Hanao ahoana ihany ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Dinidinika… I Namearison Robert (-): Mazava ny fizaran-taona sy ny voalazan’ny lalàna hoe hatramin’ny novambra no tokony hanaovana fifidianana. Fotoan’ny fahavaratra ny aorian’izay, ka tsy tokony hisy fifidianana. Aoka samy […]

TARATRY ny KANTO

Hamoaka hira vaovao ry Ndaty Lahy. Anio ny fotoana homen-dry zalahy ireo mpankafy azy, hanolorany vokatra vaovao, ao amin’ny pejy “Facebook”. Tarika mivoy ny World music izay nisolo tena an’i Madagasikara teo amin’ny sokajy hira, nandritra ny Lalaon’ny Frankôfônia tamin’ny 2023, tany Kinshasa izy ireo. Andran-tsira amin’ny rakikira izay ketrehin’ny […]

“Mozikanay Bômba”: ho tafaraka ireo andrarezin’ny HH

Ilay rap gasy araka ny nitiavan’ny maro azy! Efa ela ireo mpankafy Hip-Hop no niandrandra ny fiarahana an-tsehatra eo amin’ireo lazaina hoe mpisava lalan’ny rap gasy teto Madagasikara. Elaela no tsy nisy tokoa, ka hofohazina indray anatin’ny “Mozikanay Bômba”. Nalaina tamin’ilay fandaharan’i Tongue Nat amin’ny onjam-peo izy. Hiarahan’ireo “indray nihira” […]