Hetsika fanao isan-taona. Ny Faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo no handray ny « Herinandron’ny kabary » amin’ity taona 2024 ity. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Anisan’ireo hetsika lehibe karakarain’ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany) ny «Herinandron’ny kabary». Ho an’ity taona 2024 ity, ny Faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo no handray izany. Hanomboka ny 10 […]
Mois : août 2024
VAOVAO TAMBATRA
Notolorana fitaovam-pamokarana ny tantsaha miisa 219 anaty fikambanana miisa 12 any amin’ny kaominina maromaro, anatin’ny distrika Analalava. Fitaovana toy ny « motoculteurs », « motopompe », « tuyau d’aspiration », « refoulement », « batteuse » elektrika, angadinomby, « pulvérisateur », hersa, sns. Nisy koa fitaovana ho an’ny fiompiana, toy ny fefy « grillage », « fil de fer », « glacière », sns. Nahazo fitaovana samihafa ny […]
Fifanakalozana ara-barotra: havaozina alohan’ny taona 2025 ny Agoa
Tapaka fa havaozina mialoha ny taona 2025 ny fifanarahana ara-barotra eo amin’i Etazonia sy ny firenena afrikanina taorian’ny fivoriambe faha-21 natao tany Washington ny 24 hatramin’ny 26 jolay. Vato fehizoron’ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta ny Agoa sady miantoka ny fampiroboroboana ny toekarena aty amin’ny firenena mpisitraka izany. […]
Tompom-pahefana
Mamita iraka any ivelany ny delegasiona malagasy tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Mihazakazaka ny fifanatonana amin’ny samy afrikanina. Omaly no nifarana ny fitsidihana tany Guinée Bissau. Raha ny voandalana, indrindra amin’ny sehatra diplaomatika aloha dia tena mahavelombolo. Manginy fotsiny ny tombom-barotra amin’ny serasera sy fampahafantarana an’i Madagasikara. Any Angola […]
Fivilian-dalana Mahavavy: misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN6 sy RN 5A
Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy RN 5A. Fotoana tena ilain’ny mpampiasa lalana izany, indrindra amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Vita tanteraka ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mahavavy, PK 568, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6). Misokatra ho an’ny fiara rehetra, nanomboka ny sabotsy 27 jolay teo. Voarakotra […]




