Mois : août 2024

TSELATRA

Ankizilahy iray 13 taona natelin’ny ranomasina tao Vatomandry, ny alatsinainy teo. Niaraka tamin’ny fianakaviany teo amoron-dranomasina izy, kanjo natsipin’ny onjan-dranomasina. Niezaka nanavotra azy ihany ny fianakaviana saingy tsy afa-nanoatra. Niditra an-tsehatra nanampy ny fokonolona sy ny zandary. Afakomaly vao hita ny nofo mangatsiakany. Nitrangana firehetana kirihatr’ala teny Antsa­hamanitra, omaly. Niezaka […]

Hamonjy zaikabem-piangonana: mpivady niara-nipitika teny ambony moto

Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo ny lehilahy iray ni­tondra moto niaraka tamin’ny ramatoa vadiny teny amin’ny lalam-pirenena faha-12, teo amin’ny PK 84, toerana an­tsoina hoe Ankarampotsy, fokontany Bac Namorona, kaominina ambanivohitra Anosimparihy, ditrikan’i Ma­nanjary, afakomaly maraina. Nampandre ny zandarimaria ny mpamily taksibrosy iray amin’io lalam-pirenena io fa nitrangana […]

Namahora: trano am-polony levon’ny afo

Hotohoton’ny afo ny tranovato roa sy tsena hazo maherin’ny folo tao amin’ny fokontany Namahora, kaominina Morondava, ny marain’ny alatsinainy 29 jolay teo. Naheno zavatra nirefotra indroa nisesy ny mponina tao amin’io toerana io, tamin’ny 2 ora maraina. Niredareda tampoka ny afo taorian’izay. Tranombarotra iray niampy toerana fanamboarana telefaonina sy trano […]