“Tsy mbola fantatra ny hoe hatraiza marina ny ho fahombiazan’ny governemanta? Ny azo lazaina: mahavelom-panantenana ny firafitry ny governemanta”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Emergence Madagascar, Raboanarijaona Holijaona, momba ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Ny anton’ izay: hita fa efa matotra ny nisafidianana an’ireo mpikamban’ny governemanta: olona manana traikefa, teknisianina […]
Mois : août 2024
Tsy maintsy tonga saina
Hanomboka ny taom-pianarana. Efa mihazakazaka ny fisoratana anarana amin’ny sekoly, na miankina na tsia amin’ny fanjakana. Na inona na inona fahantrana, miezaka ary tsy mikelisoroka ny ray aman-dreny mandefa ny zanany an-tsekoly. Tsy mahasakana ny hafanam-po ny olan-tsosialy isan-karazany mianjady eny amin’ny andavanandrom-piainana. Manao izay ho afany na ny […]
Fifidianana ben’ny Tanàna :hampahatsiahy ireo dosie ilain’ny kandidà ny Ceni
Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fifidianana ho ben’ny Tanàna ny Vaomiera manokana na ny Ceni. Hitafa amin’ny mpisehatra rehetra voakasik’izany izy ireo, anio. Hotanterahina, anio, eny Alarobia, ilay sehatra ifanakalozana sy ifampizarana vaovao iarahan’ny Ceni sy ireo mpisehatra amin’ ny fifidianana. Hiompana indrindra amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna […]
TSELATRA
Tafatsofoka tao an-tranon’olona ny taxi-be iray teny Ambohimanandray Ambohimanarina, omaly. Nifaoka taxi-be iray teo alohany sy moto ity taxi-be ity ka izao nifatratra tany an-tranon’olona izao. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny naratra na aina nafoy. Vokatry ny fandehanana mafy no antony nahatonga ny loza. Notrongisin’ny kamiaobe mpitatitra […]
Lasa ny volabe 335 tapitrisa Ar : mpiasan’ny banky iray karohin’ny zandary
Tsy misy tandroka ny ratsy! Lasan’ny mpiasan’ny banky iray ao Ambovombe Androy ny volabe 335 tapitrisa Ar, afakomaly, araka ny tatitra nataon’ny Tale jeneralin’io banky io tamin’ny zandary ao an-toerana. Voalazan’ny fampitam-baovao fa ny 25 aogositra 2024 teo no niseho ny halatra nataon’io mpiasan’ny banky io. Tsy hita tampoka izay nanjavonany […]




