Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, androany maraina, any amin’ny fiangonana METM ziona maritiora Ankazobe ny fihaonamben’ny diakona eo anivon’ny fiangonana protestanta METM eto Madagasikara. « Arahina antsam-piderana maro samihafa izany androany hariva », hoy ny Révérend Docteur Randriamananjara Philibert, filohan’ny fiangonana METM, raha nampahafantatra ny hetsika. Fanao isaky ny roa taona ny fihaonambe. […]
Mois : août 2024
Tetikasa FIOVANA: nanatsara ny velon-tenan’ireo tantsaha ny tantsoroka natao
Naharitra dimy taona tany amin’ny faritra Atsimo Antsinanana ny tetikasa Fiovana. Nitondra fiovana betsaka teo amin’ ny fiainan’ny tantsaha ny fanantanterahana azy io. Nofaranana, omaly, etsy amin’ny Novotel Ivandry ny tetikasa Fiovana naharitra dimy taona, izay notanterahina tany amin’ny faritra Atsimo Antsinanan’ny Nosy. Nahazahoana tantsoroka samihafa avy amin’ny USAID sy […]
Raharimanana Patrick: ho kandidà ben’ny Tanànan’ i Mahajanga
Nanaitra ny maro ny fanehoan-kevitr’ i Patrick Raharimanana, omaly, tao amin’ny tambajotra sosialy, nanambara ny filatsahany hofidiana ho ben’ny Tanànan’i Mahajanga, amin’io fifidianana ho avy io. « Ho ataontsika modely amin’ny fampandrosoana eny ifotony i Mahajanga I … », hoy izy tao anatin’izany fanehoan-kevitra izany. Nisy ihany koa ny filazalazany ireo tetikasany maro […]
SNLCC vaovao: Efa manomboka ny famolavolana
Ny faritanin’i Mahajanga no nanombohana ny fanaovana ny dinika isam-paritra hamolavolana ny “Stratégie Nationale de Lutte Contre la Corruption” (SNLCC). Nifarana omaly ny fikaonandoha, ho an’ny faritanin’i Mahajanga. Dinika nandraisan’ireo tomponandraikitra anjara mahakasika ny ady amin’ny kolikoly ao an-toerana. Raha tsiahivina, dingana voalohany ny fanombanana ny SNLCC 2015-2025. Dingana faharoa […]
Antoko HVM: handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina
Velona ary mbola vonona hifaninana handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny antoko HVM. Na eo aza ny fiarahana amin’ny vovonana Firaisankina. Angatahan’ny antoko ny hisian’ny olony ho ao anaty lisitra. Nanao fanambarana ny avy eo amin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) tamin’ny alalan-dRakotovao Rivo, mpandridra […]




